Politique

Raharaham-pirenena Manahy korontana ny Amerikanina ?


  • Talata 02 Febroary 2016

Tonga teny Faravohitra omaly ary nihaona sy niresaka indray tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny masoivohon’i Etazonia miasa eto amintsika Atoa Robert T Yamate.

 

 Tsy nisy ny fanambarana ofisialy saingy tsiliantsofina no nandrenesana fa nanodidina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ny filaminana ary ny resaka kolikoly no votoatin-dresaky ny roa tonta. Araka ny loharanom-baovao iray dia mahita ry zareo Amerikanina fa tena mirongatra ny kolikoly eto Madagasikara amin’izao fotoana, ka nanontany ny mety fomba fahitan’i Marc Ravalomanana izany tranga izany ity masoivoho ity. Mandeha be ihany koa ny feo fa manahy ny amin’ny mety hisian’ny korontana eto indray ny bekintana ary efa mahita mihitsy fa toa hafahafa ny toe-draharaha. Iray andro taorian’ny fiverenan’ny filoham-pirenena avy ny Addis Abeba nanatrika ny fivorian’ny vondrona Afrikanina ary mialoha ny nivoahan’ny lisitr’ireo loholona 21 notendreny no mihaona eny Faravohitra ny masoivoho Amerikanina sy i Dadavalo. Fifandrifian-javatra fotsiny ve sa inona ? Fihaonana izay toa manaporofo fa mbola tena manaja an’ity filoha teo aloha ity ireo firenena goavana maneran-tany ary maka ny heviny manoloana ny zava-misy na izay mety hiseho. Ara-politika sy ara-diplaomasia indray dia azo ambara fa henatra ho an’ny fitondrana HVM izao ary toa entina milaza fa tsy mahatapak’ahitra irery izy ireo fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny hafa ; ary rehefa tsy hanao izay fa hikiribiby handeha irery dia tsy hivoaka ny famatsiam-bola avy amin’ireo firenen-dehibe sy ny mpiara-miombon’antoka amintsika.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT