Sady mbola velona no mivelatra araka ny tokony ho izy ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP), hoy ny filohany, Tolojanahary Maharavo na Doudou.
Anisan’ireo hita tonga nanatevin-daharana ity vondrona politika ity tetsy amin’ny Tana hotel Antaninarenina omaly ny mpahay diplomasia Radanoara Julien sy ny depiote Ratsivalaka Michel. Ireo rehetra ireo dia samy miaiky fa maika ny fifampidinihana hikaroham-bahaolana hanavotam-pirenena fa tsy hitondra mankaiza ny fanovana governemanta isak’izay mihetsika. Ny filoham-pirenena sisa andrasana, hoy izy ireo, ary tokony hitsotra rehefa tsy vonona ny hanatanteraka izay dinika izay fa tsy ny vahoaka foana no laingalaingana eto. Efa lakolosy fanairana vaventy ireny nitranga teny Itaosy ny alin’ny alarobia ireny, ka asakasaky ny fitondrana na mbola hitavozavoza na hiandry ny hatezeran’ny mponin’Antananarivo hihamafy kokoa. Efa niaraha-nahita ihany koa ny fitsaram-bahoaka tany Vangaindrano sy Besalampy vokatr’ity delestazy sy ny tariny ity. Ilaina maika ny dinika, hoy ny DFP mba tsy ho faty ny firenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.