Politique

Raharaham-pirenena Mampaneno lakolosy ny « Justice et Paix »


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Valalanina ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriampahalemana (Justice et Paix) tarihin’ny Monsenera Rakotondrajao Roger Victor Solo, Evekan’i Mahajanga,

manoloana ireo zava-mitranga eto amin’ny firenena tato ho ato, toy ny loza vokatry ny fanafihan-dahalo, vono olona teo Mahamasina tamin’ny 26 jona, ny raharaha Soamahamanina. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ny Vaomiera mba hanaovana latabatra boribory hanasana ny ankolafin’olona rehetra mba ahafahan’ireo tompon’andraikitra mihaino ny hetahetan’ny vahoaka, hisorohana ny savorovoro. Maika ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, hoy ny fanambarana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsarana sy ny fiahiana ny fandriampahalemana, hisian’ny fitoniana. Mitaky koa izy ireo ny hampiharana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany, ary tsinjovina mandrakariva ny soa iombonana sy ny hasina maha olona raha misy fanapahan-kevitra goavana momba izany. Tsy tokony hisy fangejana ny fahafahana maneho hevitra, indrindra raha mahasoa ny firenena, ka miantso ny mpitondra ny Vaomiera mba hobeazina amin’ny tena demokrasia manaja ny soatoavina sy ny hasina maha olona ny olom-pirenena.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT