Manohy ny hetsika fanaony isaky ny sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny ankolafy Ravalomanana Toamasina.
Mandritra ny hetsika no ilazan’ireo mpitarika sy ny mpandrindra ny ankolafy fa «voan’ny fandrika napetrany ny TGV ankehitriny ka manangam-bovona. Fa angaha raha tsy arahana sy tsy ekena izay ambarany sy tiany apetraka ary ny fahazarana mibaiko ataony, dia ireny no fomba fiteny sy toetra aseho. Raha nanaraka ny sonia nataony sy ny fifanarahana efa nifanaovana nandaminana ny krizy ny TGV sy ny ankolafy misy azy ary ny filohany, dia ho tahaka izao no ny firenena sy ny fiainan’ny Malagasy». Nomarihan’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina fa «io fitiavan-tseza sy ny filazana ny hafa ho tsy mahavita io, no nandrombaham-pahefana ka nahatonga an’i Madagasikara voasazy izay miantraika tamin’ny fiainam-bahoaka izany». Nasian’izy ireo resaka koa ny fisian’ireo miaramila frantsay maro eto Madagasikara.
«Tsy vao sambany no mandefa miaramila mody manao sarin’ady tahaka izao ny Frantsay tao anatin’ny efa-taonan’ny tetezamita. Isaky ny misy ny fanapahana goavana raisin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina amin’ny famahana ny krizy sy ny fanomanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo nitsoaka an’i Madagasikara noho ny politika, dia misy hatrany io fihetsika maramara ataon’ny Frantsay afenina amin’ny sarin’ady io», hoy ireo mpitarika. Tsy hampihemotra antsika sy ny tsy hampihemotra velively ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana izany, hoy ireto farany, na manakana mafy izany aza ny Frantsay araka ny efa nambaran’ny ambasadaorony miasa eto ireny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.