Politique

Raharaham-pirenena Mahatatesa lazon’ady !


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Mandeha be ny fampiasam-bola amin’izao fotoana, raha ny fanazavan’ny Filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Zafilahy Stanilas.

 . Anisan’izany ny hitan’ny mason’ity farany omaly tetsy Antanimbarinandriana. Nizarana vola sy t-shirt, hoy izy ireo olona hoe hihazo an’Ambohitsorohitra, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Notakonan’ireo olona anefa ny t-shirt nanaovany ary dia noraisin’izy ireo koa ny vola saingy tsy nihazo ny lapa izy ireo fa lasa nandeha lalan-kafa. Ny tetsy Antsahavola aza moa dia rafitr’ady ireo olona nangonina hanamaro isa eny Ambohitsorohitra, nandritra ny fizarana vola. Nasian’i Zafilahy resaka tao amin’ny Magro koa omaly ny momba ny fitondra-miaramila tadiavina hajoro eto. Misy antony roa lehibe, raha ny fanazavany no antony, dia ny fanakanana ny filoha Marc Ravalomanana tsy hody ka hotanterahina maimaika ny fifidianana tsy hahazoany mirotsaka hofidiana. Anisan’ny paikadin’ny FAT sy ireo mpanara-dia azy koa, raha ny fanazavan’i Zafilahy Stanilas ny famandrihana ny ankolafy Ravalomanana. Sakanana aloha ny filoha sy ny vadiny tsy hody an-tanindrazna, hoy izy, avy eo savaina sy hetraketrahina koa ny zanany ka heverin’izy ireo fa hikorontana ny zanak’i Dada ka mora foana ny hanaovana fanambarana hanaganana ny fitondra-miaramila. Tsy avelan’ny FAT hiditra Ravalomanana, korontaniny koa ny zanany, amin’izay hanao fanambarana ny ankolafy fa hiala ao anatin’ny fiaraha-mitantana. Amin’izay dia mora ho azy ireo ny filazana fa tsy azo ampiharina ny sori-dalana ka mila fitondra-miaramila. «Samy mahatanty lazon’ady isika ka tsy ho azon’ny fandrika madinika na lehibe isika. Efa mirona any an-davaka ny fitondran-dRajoelina ka tsy izahay no hanome ôksizena ho an’izany», hoy ihany i Zafilahy Stanilas. “Fiandohan’ny fiafarana izao dingana misy an-dRajoelina izao ka matoky ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay amin’ny famahana ny krizy izay mandeha dingana tsikelikely”, hoy hatrany ny tenany.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT