Politique

Raharaham-pirenena “Hody aho ary hanao politika !”, hoy i Dada tao Antsirabe


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Nafana tanteraka, araka ny nanomanan’ny mpikarakara azy, ny hetsiky ny Rodobe Antsirabe ny sabotsy 17 septambra teo.

 Ankoatra ireo nifandimby nandray fitenenana naneho hevitra nahakasika ny fahavitan’ny sonian’ny tondrozotra teny Ivato dia nisy ny tafa nivantana an-tariby nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, voalohany tamin’ireo mpanohana azy tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena, ka nilazany fa Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra ka ireny no vokany. Niaraha-nahita, hoy izy fa tsy nisy asan’i Joaquim Chissano sy Tomaz Salomao intsony ireny fa efa ny tompon’andraikitry ny Troika no nandrindra ny fanelanelanana ka nahavitana iny sonia iny. Amin’ny ankapobeny dia fampiharana ny tany Sandton ihany iny ka efa santatra amin’ny famahana ny krizy fa ny fanatanterahana azy no tena mitondra ny vahaolana.

Nampanantena an’ireo mpomba azy moa ny filoha Marc Ravalomanana fa ho avy tsy ho ela ary nanamafy fa hanao politika sy hanao izay hampandrosoana an’i Madagasikara. Nanamafy kosa izy ny tokony hihavanan’ny samy Malagasy mba tsy hisian’ny valifaty amin’ny endriny rehetra fa “ny firaisankina ihany no ahafahana mampandroso an’i Madagasikara”.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT