Politique

Raharaham-pirenena Hivory maika ny Sendikan’ny mpitsara


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Mangataka fivoriambe tsy ara-potoana ireo mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) taorian’ny famoahan’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES), ny anaran’ireo kandida 41 hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, anisan’izany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

 Mety ho amin’ity anio ity no hanatanterahana io fivoriana io. Niteraka resabe ity naha kandida ny filohan’ny tetezamita ity, satria mibaribary be mihitsy fa tsy tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna no nanaterana ny dosieny teny Ambohidahy fa vao haingana. Raha ny siosion-dresaka dia ny zoma 3 mey maraina vao tonga teny amin’ny CES ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina. Tapitra ny alahady 28 aprily tamin’ny 5 ora hariva anefa ny fe-potoana farany ambaran’ny lalàna, ka nahoana no mbola nanaiky nandray io antontan-taratasy io ihany ny CES ? Hafahafa izany rehetra izany, toa misy ny fiangarana, fanomezana tombony, mizana tsindrian’ila. Ety am-piandohana dia efa mampiahiahy sahady ny fomba fiasan’ny CES, ka ahoana no hitokisana azy indray rehefa hamoaka voka-pifidianana any aoriana any ? Tsy mipetra-potsiny fa tsy maintsy hihetsika manoloana izao fomba fiasa mampiahiahy nataon’ny CES izao ireo antokon-draharaha nanendry ireo mpitsara hisolotena azy ao amin’ny CES, izay mpikambana eo anivon’ny SMM  ny ankamaroany. Koa dia andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny fivoriambe raha toa ka raikitra  anio ihany izany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT