Politique

Raharaham-pirenena Hiteny amin’izay ny Leader Fanilo


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Vita hatreo ny fitazantazanana sy ny fakan-drivotra fa dia handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena sy ny raharaha politika eto Madagasikara ny Leader Fanilo

, taorian’ny Filankevitra nasionaly nandritra ny roa andro nataony teto an-drenivohitra, nanavaozana ny birao nasionaly sy nandinihana ny raharaham-pirenena sy ny fiainan-tokantranon’ny antoko. Tapaka fa handray anjara amin’ireo fifidianam-paritra ho avy ny Leader Fanilo. Haneho ny heviny manoloana ireo raharaha mafanafana sy miteraka adihevitra eto amin’ny firenena ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity. Hitsikera ny tsy mety, nefa hanohana ny tsara ihany koa. Voafidy ho filoha nasionalin’ny antoko nandritra ity Filankevitra nasionaly ity i Pr Rabesa Zafera Antoine. Nanamafy ity farany fa tsy hisy ny fanilikilihana ao amin’ny antoko ary azo raisina ho toy ny mpikambana tsotra Atoa Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny antenimieram-pirenena izay mitarika ankolafina Leader Fanilo hafa.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT