Manoloana ny toe-draharaha politika miseho ankehitriny dia re fa mety hihaona i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina ato ho ato.
Ny mpandinika ny raharaha politika koa moa dia efa samy mahita fa ireto filohana ankolafy politika roa ireto ihany no mahatohitra ny HVM ary kandida mety handresy an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny 2018.
Reraka ireo antoko hafa
Tsy takona afenina intsony fa ny fanomanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 no tena imasoan’ny governemantan’i Olivier Mahafaly Solonandrasana fa sarintsarim-pisokafana fotsiny no natao tamin’ireo mpanao politika mitady toerana. Ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara aloha dia mazava ny tanjon’i Dada Ravalomanana : tsy manohitra ny fitondrana izy mba hahitana ny fitoniana politika eto Madagasikara saingy tsy mandray anjara kosa amin’izay mety ho endrika fanapotehana ny firenena sy ny fanaovana rapa-dango ny fananam-pirenena. Ho an’ny mpanara-dia an’Atoa Andry Nirina Rajoelina indray dia nizarazara be ihany ny Mapar ka nisy koa ny niova fo efa lasa HVM. Ireo antoko politika hafa tahaka ny Leader Fanilo dia efa sempotra amin’ny ady toerana anatiny ka tsy dia azo antoka hanana olona matotra azo atolotra ho kandida filoham-pirenena intsony. Ny Arema, ny Undd dia efa samy nipatitaka avokoa. Ny antoko MMM (Hajo Andrianainarivelo) sy ny MTS (Roland Ratsiraka) dia tsy fantatra marina izay tiany hahatongavana ary tsapa efa nihena ny lanja ara-politikany. Ny MDM an’i Pierrot Rajaonarivelo moa dia tsy hita popoka intsony eo amin’ny tontolo politika. Manezaka mafy ihany ny ADN an’i Edgar Razafindravahy saingy efa tsapa ny fetran’ny zava-bitany.
Lôjika politika
Ny sary hitan’ny mpanara-baovao tato ho ato izay dia Marc Ravalomanana mivady tafiaraka tamin’ny Mapar misy an-dry Augustin Andriamananoro sy ny kolonely Lylison ary ny depiote Rossy. Mitovy fahavalo politika iombonana izy ireo dia ny HVM izany. Zavatra tena lojika ary tsy tokony hahagaga ny fifanatonana sy fifampiresahan’ireto ankolafy roa ireto ary ny mety ho fiarahany hanohitra ny tsy mety ataon’ny HVM amin’izao fotoana. Raha ny tombatomban’ny mpanara-baovao politika dia mila manambatra ny heriny ny mpanohitra fa raha mbola io misaratsaraka ka samy manana kandida io, dia handresy mazava ny HVM sy Hery Rajaonarimampianina amin’ny 2018. Tombantombana moa izany fa tsy misy mahalala izay mety havoaky ny ampitso !
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.