Politique

Raharaham-pirenena, fifidianana Manara-maso akaiky ny vondrona Afrikanina


  • Talata 21 Novambra 2017

Mitsidika an’i Madagasikara nanomboka omaly alatsinainy ny delegasionina avy amin’ny vondrona Afrikanina tarihan’i Ramtane Lamamra,

anisan’ireo mpanelanelana tamin’ny famahana ny krizy 2009. Anton-dian’ity delegasionina ity ny fanentanana ny fampanginana amin’izay ny fampiasana fitaovam-piadiana aty afrika mialoha ny taona 2020 na ny tetikasa « Faire taire les armes en Afrique avant 2020 ». Nihaona tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao ity delegasionina ity omaly ka tao no nahafantarana fa tsy manana eritreritra mihitsy hanemotra ny datim-pifidianana ny fitondram-panjakana. Misy ny fandaminana mety hatao fa ny fifidianana kosa aloha dia tsy maintsy hotontosaina amin’ny 2018, hoy i Rivo Rakotovao. Tonga teny Iavoloha nihaona tamin’ny filoham-pirenena avy eo ity delegasionina avy amin’ny vondrona Afrikanina ity ka nilaza taorian’ny fihaonana avy eo Atoa Ramtane Lamamra fa nisy ny jery todika natao momba ny zava-misy eto Madagasikara. Nojerena ihany koa ny mety hiatrehana ny ho avy, mahavelombolo, hoy izy satria nahaliana sy nivelatra tokoa ny fifampiresahana tamin’ny filoha Rajaonarimampianina. Tsotra sy maivana loatra ny fahitana ny fanambarana ka mahatonga ny mpandinika ny raharaham-pirenena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena fa misy antony manokana ity fitsidihana ity ary misy ifandraisany betsaka amin’ny fifidianana ho avy. Teo foana tamin’ny fandaminana ny krizy teto Madagasikara mantsy ny vondrona Afrikanina ka sarotra ny inoana fa hitazam-potsiny ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izy ireo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT