Politique

Raharaham-pirenena “Feno ny kapoaka !”, hoy ny filan-kevitry Ampanjaka sy Tangalamena


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011


 “Feno ny kapoaka ka tsy azo ekena intsony ny fitarazoan’ny famahana ny krizy. Heloka ny fahanginana ka manery an’Atoa Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina izahay hivory tsy misy hatak’andro hitady vahaolana eto an-tanindrazana: eto Antananarivo renivohitra”, hoy ny filan-kevitry ny Ampanjaka sy Tangalamena ao Mahanoro, Vatomandry, Tanambao Manampotsy, Marolambo, Nosy Varika, Mananjary, Ikongo ary Ifanadiana. Raha toa ka tena tia ny Malagasy sy Madagasikara marina izy ireo, hoy ireto raimandreny dia mila mitady hevitra hamahana ny krizy alohan’ny hivarinan’ity Nosy ity anaty hantsana mangitsokitsoka. Mandalo fotoan-tsarotra sy latsaka an-katerena ny firenena. Tsy afaka ny hijery fotsiny na hangina amin’izao izahay, hoy ihany ity filan-kevitry ny Ampanjaka sy Tangalamena ity satria mahatsapa izy ireo fa mampiteny ny moana ny fahasahiranana eto amin’ny firenena ankehitriny.

Niandrandra fiovana sy nanantena fiainana tsaratsara kokoa ny Malagasy kanefa hatramin’ny naha-Madagasikara an’i Madagasikara, hoy ihany ireto raimandreny ireto dia tsy mbola nisy toe-draharaha ratsy nampitondra faisana ny ankamaroan’ny Malagasy toy izao iainantsika izao. Very tanteraka ny maha-Malagasy, dia ny Malagasy tia fihavanana, hoy izy ireo, hany ka manjaka ny fitiava-tena, ny tsy fandriamapahalemana, ny kolikoly sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ankoatra izay dia nosinganin’ireo Ampanjaka sy Tangalamena ny zara vilana amin’ny tombontsoa tampi-maso kely atao amin’ny vahoaka an-tanan-dehibe sy an-drenivohitra toy ny resaka Tsena Mora izay nomarihin’ireto raiamandreny ireto fa dia an-drenivohitra ihany no ahitana izany kanefa samy tra-pahasahiranana avokoa ny rehetra. Ho an’ny filan-kevitry ny Ampanjaka sy Tangalamena dia henatra sy fahafaham-baraka ho an’ny Malagasy ny fitadiavana vahaolana any ivelany.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT