Raharaham-pirenena

> Kajikajy politika no mampidi-kizo eto


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Manana ny fahitany ny zava-misy mikasika ny fitarazoan’ny fanomanana ny fifidianana ireo mpanao politika sy mpanaraka vaovao politika ao Toamasina. Ho an’Atoa Andrianiarifera Malalaniaina (Naina) izay kandida depiote ao Toamasina I, dia “CES tsy mitongilana, mampihatra ny lalàna ary tsy baikoin’ny politika na ireo mpanao politika no ilaina.

Tsy tokony hanova ny didy tsy azo ivalozana efa nivoaka ny fanovana ny mpikamban’ny CES, satria matoa ireo mpikambana teo aloha nandray ireny didy ireny dia nanana ny fomba nitsarany ny antontan-taratasin’ireo kandida izy ireo na ara-politika izany na ara-pitsopitson-dalàna, ka tokony hanaja izany ny rehetra satria mariky ny fiandrinampirenena ny hasin’ny mpitsara sy ny fitsarana. Nefa apetraka amin’ny fahendren’ireo kandida telo ny fanapahan-kevitra”. Ho an’ny Dr Rakotomalala Harry mpanaraka vaovao politika kosa, dia “nanaja ny soatoavina ny CES mba tsy hisian’ny korontana sy ady an-trano eto ary ny tsy hisian’ny Malagasy tsy handray anjara amin’ny fifidianana.

Koa na politika ireny na araka ny lalàna, dia didy efa nivoaka iny ka ny fanajana azy no tokony hatao”. Nomarihany ihany koa fa “ho tombontsoan’iza sy ho fanasovana an’iza ny fanovana io CES io? Mazava izao fa misy mitetika ny hametraka ny olona tiany ho mpitondra eto, koa mino ve ireo vahiny ireo fa hampilamina eto ny fanaovana izany sy ny fanilihana ireo ambarany fa tsy ara-dalana amin’ireo kandida ? Sao ireo vahiny indray no hampiady ny samy Malagasy ? “Io kajikajy politika maloto io ihany no mampidi-kizo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ohatra izao, koa raha mbola misy Andriamanitra dia hivavaka izahay tsy hanjakan’ny devoly i Madagasikara”, hoy Dr Rakotomalala namarana ny fanazavany.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT