Politique

Raharaham-pirenena Ataon’ny depiote toy ny kilalao


  • Zoma 20 Mey 2016

Ny talata ho avy izao no hifidy izay ho solontenany eo anivon’ilay seha-panjakana ho mpanara-maso ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana eto Madagasikara ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

 

 Misokatra ho an’ny Solombavambahoaka rehetra izay feno 45 taona no mihoatra ny zo ho azo hofidiana. Hatramin’izay fotoana nisokafan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena ho an’ny taona 2016 ny 03 mey lasa teo izany dia io no vokatra ho azo tsapain-tanana voalohany. Raha tsiahivina dia volavolan-dalàna tsy latsaky ny 20 no heverina hampandalovina eny amin’ity andrim-panjakana ity ka anisan’zany ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny asa fanaovan-gazety. Nanaitra ihany ny fahamaizan’ny fitondrana foibe ny amin’ny hampandalovana ity volavolan-dalàna ity eny Tsimbazaza saingy ny nahagaga dia toa tsy re loatra intsony ny tohin’ny tantara ankehitriny. Ankoatr’izay dia miverimberina ihany koa izao ny resaka fanonganana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ny fikasana ny hampiatoana ny praiminisitra amin’ny asany. Tsy vao sambany anefa ny karazam-baovao toy izany ary misy mihitsy aza amin’ny mpanara-baovao sasany no lasa mihevitra fa ataon’ny Solombavambahoaka toy ny kilalao sy anaovana takalon’aina isaky ny misy zavatra takiana, ny raharaham-pirenena, mety fomba iray hahazoana vola koa izy ity satria efa malaza ho lapan’ny malety ny eny Tsimbazaza eny.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT