Noho ny hiatrehana ny fifidianana Solombavambahoakan’i Madagasikara ho tontosaina ny faha-27 mey 2019 dia fantatra fa tafatsangana ankehitriny ny Vondrona politika VTT « Vondron’ny Tia Tanindrazana »
hivondronan’ny antoko HVM tarihan’i Mohamed Rachidy sy ny antoko Kintana tarihan’i Tabera Randriamanantsoa ary ny GJMP « Groupement des Jeunes Malagasy Patriotiques » tarihan-dRandrianasolo Jean Nicolas izay manana hevitra hitoviana eo amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny ka hanolotra kandida iombonana amin’ny fifidianana parlemantera ho avy. Fiaraha-mitantana « Collégiale » no hitondrana ny VTT, hoy ny fanazavana azo tamin’ny mpitarika vitsivitsy amin’izy ireo teny Anosy omaly, ary hisandrahaka manerana ny nosy ny ambaindainy. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny korontana, hoy ny VTT ka ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka no vaindohan-draharaha himasoan-dry zareo. ka tsy ho volena ao an-tsaina mihitsy izany hoe hanohitra fitondrana izany. Ny fanovana ny teo-tsaina politika misy eto amin’ny firenena ankehitriny no tanjona, hoy izy ireo, dia ilay hoe : ny sahirana dia sahirana ihany fa ny mpanao politika vitsivitsy no milomano ao anaty harena mihoampampana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.