Politique

Raharaham-pifidianana Manjavozavo tanteraka


  • Alarobia 17 Jolay 2013

Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo ny volavolana didim-panjakana momba ny fanemorana ny datin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

Midika izany fa tsy maintsy hahemotra ihany koa ny daty fara fandraisana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay tokony ho nifarana ny alatsinainy 15 jolay 2013 teo. Nangataka ny tsy hamerana ny daty farafandraisana ny dosie ireo lehiben’ny vondrona politika mpanasonia ny tondrozotra raha tsy efa fantatra mazava tsara ny datim-pifidianana manaraka, hoy ny tatitry ny ministeran’ny atitany nandritra io filankevitry ny governemanta omaly io. Nampatsiahivina, ihany koa fa araka ny lalàna fehizoro laharana 2012-016 tamin’ny 1 aogositra 2012, dia azo hahemotra ny datim-pififidianana, noho ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Ny ministeran’ny atitany no tompon’andraikitry ny fanatanterahana izany aorian’ny fakana ny hevitry ny CENI-T.

Noho izany rehetra izany dia miankina tanteraka amin’ny famoahana ny datim-pifidianana filoham-pirenena sy solombavabahoaka manaraka ataon’ny CENI-T ka ankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, no handrafetana indray ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handrotsa-bato. Any amin’ny CENI-T tanteraka izany ny baolina ankehitriny zatria miankina amin’izay fanapahan-keviny ny fitohizan’ny zotram-pifidianana eto amintsika. Mandra-piandry izany dia miantona daholo aloha izany ny resaka fifidianana sy manodidina azy, tsy fantatra ny daty, tsy voafaritra mazava ny fe-potoana hanaterana ny antontan-taratasy ho an’ireo kandida, na notazonina ihany aza ny zotram-pifidianana, izany hoe ny fifidianana filoham-pirenena no atao mialoha, manaraka ny solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT