Politique

Raharaham-panjakana Mifangaro tanteraka amin’ny raharahan’Antoko


  • Zoma 02 Martsa 2018

Tena mifangaro voraka ny asan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny maha filoha azy, ny hetsika ataon’ny HVM, ny an’ny vadin’ny filoha. Ampiasaina ny fanampiana isan-karazany sy ny sampandraharaham-panjakana mahaleotena ary toa karazan’ny baikoan’ny mpitondra ho amin’ny tombontsoany politika sy hitiavany azy.

Tsikaritra ho tratran’izany ny ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), sampandraharaha mahaleotena, saingy izy ireo no toa te hidera tena sy ho tompony, amin’ny alalan’ny fampanantenana ny vahoaka, toy izay natao tany Tolagnaro ny alarobia 28 febroary teo. Raha ny lojika dia manana ny tetibolany sy fandaharan’asany manokana ireny sampandraharaham-panjakana ireny, ary manana ny mpiara-miombon’antoka sy mahaleotena amin’ny asa ataony. Ny hita anefa, dia toa japian’ny HVM hatrany ny zava-drehetra rehefa misy zavatra hatao, fitokanan-javatra, fizarana na fanolorana fanampiana. Efa fanaon’ny filoham-pirenena sy ny ekipany io mijapy masinina io, ka na zavatra tsy dia misy hidirany loatra aza, dia hireharehana ho izy no niasa sy nahavita zavatra. Ambara mihitsy aza fa efa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny fisandratana mirindra.  Rehefa vory vahoaka, dia tsy adino ny resaka propagandy, toy iny tany Tolagnaro iny dia naderadera ny sorabaventy efa tsara omana misy soratra hoe: “Vehivavy Farady, Hifidy anao izahay”. Misavoritaka tanteraka ny mpitondra noho ny tahotra ny ho very seza, ka heverina fa azo atao avokoa ny fomba rehetra hahafaha-mandresy na dia efa mifanitsaka tanteraka aza ny raharaham-pitantanana firenena sy ny raharahan’ny antoko HVM. Raha mbola famoriam-bahoaka sy fitokanan-javatra azon’ny filoham-pirenena hitsofohana na fitokanana EPP nohavaozina aza, mety ho vitana lehiben’ny DREN aza, dia hidirana avokoa satria antomotra ny fifidianana. Mifanindran-dalana amin’izany ny fizarana fanamiana HVM. Miara-mirona any anaty propagandy, ka tsy misy fiavahany intsony ny asan’ny atoko politika, ny asan’ny filoha mivady, ny asan’ny governemanta …


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT