Politique

Raharaha Soatalily Afaka madiodio ireo voampanga


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Tontosa omaly talata 06 septambra, rehefa nihemotra matetika, ny fitsarana ny raharaha Soatalily.

 Nisy namotika sy nikasa handoro ity masoivohon’ny radio nasionaly ao Toliara ity ny 27 aogositra 2010, taorian’ny famoriam-bahoaka nataon’ny Pr Elimberaza Mandridake tany an-toerana. Fito lahy no voasambotra taorian’izay ary nadoboka am-ponja avy hatrany dia i Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita, Bonnaure Sazalahy ary ingahy Rabeony Mandiradaky. Nandritra ny fotoam-pitsarana omaly tao Betela, izay naharitra ora roa sy sasany, teo anelanelan’ny tamin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12ora sy sasany, no nihainoana ireo mpiasan’ny radio Soatalily, najoro ho vavolombelona tamin’io raharaha io.

Nifandimby nilaza ireo fa tsy nahita ireo olona ireo akory teny amin’ny faritry ny radio tamin’io andro io, ary tsy mitazona azy ireo ho tompon’antoka tamin’ny fanimbana nitranga tao. Namoaka didy ny fitsarana taorian’ny fifandaharana fa dia afahana madiodio ireo rehetra voarohirohy tamin’iny raharaha iny, izay saika olon’ny ankolafy Ravalomanana ny ankamaroany afa tsy Rabeony Mandiradaky (Arema). Tonga maro teny amin’ny Lapan’ny fitsarana ny mpomba ny ara-dalàna tao Toliara. Hafaliana no nandraisan’izy ireo ny didy manafaka madiodio ireo voampanga. Marihina fa efa nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ny talata 15 febroary 2011 ingahy Rabeony Mandiradaky. N

anam-pahoriana, namoy ny vady andefimandriny izy herinandro nialoha io nanomezana fahafahana azy io. Ny zoma 04 martsa 2011, kosa no nivoaka ny fonjan’i Toliara ireo olona eni-mianaka ambiny tany am-ponja, rehefa voatana nandritra ny enim-bolana sy dimy andro katroka. Efa any ampitan-dranomasina kosa ny Pr Elimberaza Mandridake, toarian’io sakoroka ny 27 aogositra 2010 io. Ny marina sy ny rariny no nanjaka, fa tsy hoe famindram-po nataon’ny Fahefana avon’ny tetezamita nanafahana azy ireo rehefa ho avy ny Troïka, hoy ny tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana raha nandre ity didim-pitsarana nivoaka tao Toliara mikasika ny raharaha Soatalily ity.

Nambaran’izy ireo fa ny Soatalily no nifarana teo fa mitohy kosa ary vao mainka aza mihamafy ny fitakian’izy ireo ny hamoahana ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila, ny hamohana indray ireo haino aman-jery nakaton’izao fitondrana FAT izao, ny famelana malalaka ireo sesitany politika rehetra hiverina an-tanindrazana ka handray anjara amin’ny fiainana politika eto, indrindra amin’ny fitadiavana vahaolana hivoahana amin’ny krizy.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Afaka madiodio izy ireto, raha nampangaina ho namotika ny radio Soatalily

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT