Politique

Raharaha Soanierana Ivongo Mampiady an-trano ny MAPAR


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Mitohy ary lasa miitatra amin’ny sehatra hafa ny raharaha fifamalian’ny samy depiote tany Soanierana Ivongo, herinandro lasa izay dia ny depiote Rahasimanana Paul Bert na i Rossy voafidy teto Antananarivo faha-4 sy i Tody Arnaud voafidy tao Soanierana Ivongo.

 

 Noho ny resaka kianja hanaovana fampisehoana no antony. Fantatra mantsy izao fa nametra-pialana tsy ho mpandrindra ny Mapar-TGV ho an’ny  faritra Analanjirofo intsony ny depiote Tody Arnaud, araka ny fanambarana ofisialy nataony ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Restaurant Le Fumet Soanierana Ivongo. Noho ny vondrona Mapar-TGV izay nijery azy fotsiny no antony. Nahatsiaro ny depiote Tody Arnaud fa niady irery. Efa re mialoha izao fa nampizara ny hevitry ny samy Mapar iny tranga iray tany Soanierana Ivongo iny. Ao ny momba an-dRossy, ao kosa ny miandany amin’i Tody Arnaud. Vao miha nananosarotra ny raharaha ilay valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teto Antananarivo ka nijoroana vondron’olona milaza fa fikambanan’ny ambany tanàna ka niantso an’i Tody Arnaud hifona amin’i Rossy. Very fanahy mbola velona ary tahaka ny tsy misy mpitarika na raiamandreny to teny intsony ny Mapar amin’izao herintaona latsaka mialoha ny fifidianana izao. Izy samy izy aza io miady io, ny mpikambana hafa efa maro no niova lasy sy namadika palitao. I Andry Rajoelina lehibeny rahateo moa tsy miteny tsy mivolana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT