Politique

Raharaha RFI Manamaloka ny dinika any Seychelles


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Raha ny tokony ho izy dia amin’ity alatsinainy 23 jolay ity no handao an’i Madagasikara ka hihazo ny nosy Seychelles ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina.

 Tsy fantatra anefa izay mety mbola hitranga taorian’ny raharaha teny amin’ny Rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra na 1er RFI Ivato omaly, indrindra moa fa nisy miaramila namoy ny ainy. Omaly ihany dia efa nisy ny feo nivoaka, teto an-toerana eny fa hatrany ivelany aza, fa mety tetika niniana natao mihitsy iny fikomiana iny mba hanembantsembanana ilay fihaonan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana hatao atsy Seychelles. Misy tokoa mantsy ny vondron’olona, mpanao politika sy olona efa manana toerana ao anatin’izao tetezamita izao, tsy mankasitraka io fihaonana io. Miankina tanteraka amin’i Andry Rajoelina ny fanapahan-kevitra. Hanohy ny ezaka amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy ve izy sa hilefitra manoloana ny ramatahora ataon’ny mpomba azy ? Izy tenany mantsy dia efa namerimberina fa vonona amin’io fihaonana io, ary nanao antso avo izy, mba tsy hanelingelenana izany, saingy io nipoitra io ihany ilay izy. Misy antony mazava tsara matoa ny tobin’ny 1er RFI teny Ivato no nisian’ny fikomiana. Ny 1er RFI mantsy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, ka rariny sy hitsiny raha haato avokoa ny sidina rehetra raha toa ka misy savorovoro ao amin’ny 1er RFI, sao hisy akony ratsy amin’ny fifamezivezen’ny fiaramanidina izany.

Tsaroana eto koa ny zava-nitranga taona vitsivitsy lasa izay, raha nisy nikasa hitifitra ny fiaramanidina “Air Force One” nitondra ny filoha Marc Ravalomanana, avy any Eoropa. Teny Ivato manakaiky ny “bout de piste” no nisian’izany, ary dia voatery nivily lalana ka nipetraka tany Mahajanga mihitsy moa ilay fiaramanidina. Tsy tokony hohadinoina ihany koa ny zava-nitranga tany Rwanda tamin’ny 6 aprily 1994 ka nahafatesan’ny filoha Juvenal Habyarimana, satria avy any Tanzania, avy nivory indrindra amin’ny fifandaminana teo amin’i Rwanda sy Burundi ny tenany, no nisy nitifitra ny fiaramanidina “Falcon 50”, nitondra azy sy ny filohan’i Burundi Cyprien Ntaryamira, minitra vitsy mialoha ny hipetrahany teo amin’ny seranam-piaramandin’i Kigali (Rwanda). Maty avokoa ny mpandeha rehetra, hatramin’ireo mpanamory Frantsay 3. Teo no nanomboka ny fandripahana ny olon’ny foko Tutsi tany Rwanda ka 800 000 no maty tao anatin’ny telo volana.

Mipetraka eto ny fanontaniana : dia sanatria ve misy mikononkonona zava-doza tahaka izany eto Madagasikara, rehefa hita fa mitady hihavana ireo noheverina fa mpifanandrina fototra nahatonga ny krizy ? Efa zavatra mahazatra aty Afrika mantsy ny fanonganam-panjakana sy famonoana olom-panjakana, mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny sasany, na koa hanakanana ny sasany tsy hahavita zavatra. Matoa mivoaka ny resaka fa mety tetika maizina hanembantsembanana ny fihaonana any Seychelles ity tranga teny Ivato ity, dia ao raha. Ary tsara homarihana fa raha araka ny vaovao efa miparitaka any ampita sy amin’ny tranokala dia diplaomaty vahiny, monina sy miasa eto amintsika no nilaza izany. Ho hita eo ny mety ho fihetsik’i Andry Rajoelina !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT