Politique

Raharaha “Rehavana Michel” Nitsapa alahelo ny havany ny minisitry ny Polisy


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Omaly maraina no nirodorodo teny teny Androndra misy ny tranon’ny rahalahin’i Rehavana Michel, ilay mpitsara novonoina andiana polisy tany Toliara, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena notarihin’ny minisitry ny filaminana anatiny, ny Controleur général Rakotondrazaka Arsčne.

 Nampiseho ny kisarisary milaza fa tsy miady amin’ny mpitsara ny polisy no tanjona tian’ireo tompon’andraikitra nahatongavana. Izao no natao, hoy ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo, dia ny mba ho fantanterahana ny fomba amam-panao malagasy : mifanotrona sy mifankahery rehefa misy ny manamanjo. Ny nahavariana tamin’ity hetsika omaly ity dia iray volana aty aorian’ny fahoriana vao tonga ny polisy hanotrona ny havan’ny maty. Porofo izao, hoy ireto tonga nitsapa alahelo ireto fa tsy misy ny lonilony eo amin’ny havan’ny maty sy ny polisim-pirenena. Mbola nohamafisin’izy ireo ihany koa fa efa voasazy avokoa ireo polisy niray tsikombakomba tamin’ny famonoana ity mpitsara ity tany Toliara ny 9 desambra 2011.

Ny havan’ireo polisy voafonja any Ambatolampy anefa dia tsy mitsahatra milaza fa mbola miriorio any Toliara ireo tena atidoha nikotrika tamin’iny famonoana mpitsara iny. Toa manamafy izany ihany koa ny voalazan’ny sendikan’ny mpitsara na ny SMM fa anarana polisy telopolo no any amin’izy ireo voarohirohy tamin’ny famonoana io mpitsara namany io. Polisy dimy ihany anefa no nampidirina am-ponja any Ambatolampy hatreto. Tantara mitohy !
Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT