Nipetraka ny fahaleovantena sy tsy fitanilana nandritra ny fotoam-piasan’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fanitsiana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, hoy ireo mpikambana 11 mianadahy teny Antaninarenina omaly.
Niainga tamin’ireo antontan-kevitra teo am-pelatanana nanomboka tamin’ny 2009 niaraka tamin’ny fihainoana ireo mpisehatra eo anivon’ny fiainam-pirenena ny fanatsarana nentina izay voarafitra ao anatin’ny boky ahitana takila 150. Hifototra amin’ny fampihavanana eny anivon’ny fiarahamonina ifotony na «reconciliation communautaire» kosa ny asa miandry ireo ho mpikambana voatsonga ao anatin’ny FFM vaovao voalazan’ny fanahy napetraky ny tondrozotra. Voafafan’ny famotsoran-keloka na «amnistie» avokoa moa ireo tranga politika niseho teto Madagasikara rehetra afa-tsy ny raharaha famonoana ny kolonely Ratsimandrava, hoy ny manampahaizana mpahay lalàna Imbiky Anaclet. Rafitra mahefa amin’ny fanaovana fanadihadiana hentitra hivoahan’ny marina sy ny fanenjehana ny tsy maty manota ihany koa anefa ny FFM eritreretina hijoro aorian’ny fankatoavan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna, araka ny fanampim-panazavana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.