Politique

Raharaha Radion’ny Gasy Nahemotra ny fitsarana, nolavina ny fangatahana LP


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Raharaha Radion’ny Gasy Nahemotra ny fitsarana, nolavina ny fangatahana LP

 . Izay no fanapahan-kevitry ny fitsarana. Omaly no andro voatondro hanatanterahana ity raharaham-pitsarana ity. Rehefa nantsoina ireo olona voampanga dia ireo voatana (vonjimaika) any am-ponja ihany no tonga. Nahazo fiantsoana hiatrika fitsarana mantsy izy ireo. Tsy nipoitra kosa ireo voampanga hafa, izay nisy efa nahazo fahafahana vonjimaika, vehivavy io. Ankoatra ireo dia nitsoaka ka tsy mbola hita, araka ny fanazavan’ilay vehivavy mpitsara, mandray an-tanana ity dosie ity. Izay no nandraisany fanapahan-kevitra fa hahemotra amin’ny 18 oktobra indray ny fitsarana ny raharaha Radion’ny Gasy. Nangataka LP ny mpiaro ireo voampanga satria efa ho fito volana ireo olona ireo no tazomina any am-ponja. Nolavin’ny fitsarana izany na niaiky aza ireo voamapanga fa ho avy eo anatrehan’ny fitsarana raha misy ny fiantsoana na ilana azy ireo. Manoloana izany dia maro no mihevitra fa mifamatotra amin’ny namoahana indray ny didy mampisambotra ny filoha Ravalomanana ity dosie ity. Raha notsaraina omaly, izay azo natao tsara tokoa, ka nahazo fahafahana na vonjimaika ihany aza ireo voampanga ka miverina misokatra ny Radion’ny Gasy dia hanana onjam-peo hahafahany mifampizara vaovao indray ireo mpomba an’i Dada, ka tsy levon’ny vavonin’ny mpomba ny FAT izany, noho izy ireo tsy mahazaka demokrasia.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT