Politique

Raharaha radio Jupiter-Ilakaka Roalahy notanana am-ponja, karohina ilay mpanao gazety


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Mbola miafina fatratra amin’izao fotoana izao ny mpanao gazetin’ny radio Jupiter ao Ilakaka, Fernand Celo, raha ny vaovao naeliny tao amin’ny tambazotran-tranonkala iray ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny fanazavany dia tsy misy idiran’ny resaka mikasika ny onjam-peo izay hiasany velively ny antony anaovan’ny manampahefana azy hazalambo ankehitriny fa zavatra hafa mihitsy. Raha tsiahivina moa dia nisy ny famoahana amboletra ny trano fonenan’ity mpanao gazety ary nisy ihany koa ny fakana ny fitaovan’ny radio, raha ny fampitam-baovao azo. Finday miraikitra fandraisam-peo ahafahana niampanga azy sy ireo namany no tena nokendrena ho hita tao anatin’izay saingy tsy hita ary dia izay no antony nitohizan’ny fisavana tao amin’ny onjapeo radio Jupiter. Olona efa-dahy moa no efa voasambotra tamin’ity raharaha ity ka notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny sabotsy teo ao Ihosy ny roa raha nafahana vonjimaika kosa ny sisa. Raha ny fanampim-baovao farany voaray kosa dia resaka hifandraisany amina orinasa iray izay mikitikitika tanimbarin’olona ihany koa no voalaza fa antony mbola hitadiavana azy mirahalahy ireto amin’izao fotoana izao.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT