Politique

Raharaha Radio Fahazavana Mbola manjavozavo hatramin’izao


  • Alarobia 21 Mey 2014

Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanakatonana ny onjam-peon’ny fiangonana Fjkm ny famahana ny olana mikasika ny Radio Fahazavana.

 Mbola mila hazavaina tsara ihany koa ny momba ny famonjana ireo mpiasa 10 mianadahy sy ny fitsarana azy ireo, hoy ny Talen’ny famoahana Ravohangiharison Roland Didier omaly nandritra ny fiaraha-mivavaka fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teny amin’ny Fjkm Ambatomena. Raha ny zava-nisy sy niainan’ireto mpiara-miasa ao amin’ny Radio Fahazavana ireto ny andron’ny 20 mey 2010 mantsy no hasian-teny dia manamafy izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fanatanterahana ny asa fisamborana narahin’ny asa famotorana nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana tamin’izany.

Niampy asa fandrobana rahateo ny fisavana nataon’ireo mpitandro filaminana satria noraofin’izy ireo daholo ireo fitaovan-tserasera sy kojakoja maro hafa tao amin’ny foibe Imarivolanitra izay tsy fantatra ny toerana nametrahana azy ireo, araka ny fanadihadian’ny vadintany nidina ifotony ny volana mey 2011. Fanontaniana mila valiny mazava ihany koa no apetrak’ireto mpiara-miasa ao amin’ny onjam-peo Fahazavana ireto momba ny tohin’ny fitsarana azy ireo. Vahaolana aroson’izy ireo ny hanafainganana ny fifanatonana sy ny fifampidinihana eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny fiangonana ahafahana mandray fanapahan-kevitra mitondra mankany amin’ny fampihavanana. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT