Tsy aferana mpanao politika tsotra intsony fa miditra amin’ny resa-piaviana ny raharaha Profesora Tehindrazanarivelo Alain izay voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana fony izy mbola praiminisitra lefitra nisahana ny fahasalamana tao anatin’ny FAT.
Nivondrona ireo fikambanana miisa valo avy any amin’ny Faritra Sofia nampian’ireo Sojabe nahitana an’i Mamizara Jules, ny pastera Tehindrazanarivelo, Pierre Tsiranana ka niara-nampiaka-peo manoloana ity fanenjehana ny zanany ity. Ho an’ny zanak’i Sofia dia fanendrikendrehana no atao amin’ny profesora Tehindrazanarivelo ka takian’izy ireo ny fanajanonana izany. Melohin’izy ireo moa ny fihetsiky ny mpitondra izay mitady hisalovana ny asan’ny fitsarana. “Na dia tsy mbola nandalo fitsarana aza ny raharaha dia tondroina ho lohan’ireo olon-dratsy nanararaotra ny tetezamita izy na dia maro aza ireo afera be hitam-poko hitam-pirenena”.
Takian’izy ireo koa ny famaranana ny fanenjehana sy fanilikilihana ny zanak’i Sofia niseho hatramin’ny nialan’ny filoha Tsiranana teo amin’ny fitondrana. Tanisain’izy ireo ao anatin’ny fanambarana navoakany ohatra ny fanagadrana, ny famindran-toerana tsy ara-drariny ireo zanaky ny faritra sofia tao anatin’ny fitondana Tsiranana taorian’ny raharaha 1972, ny fiampangana ireo mpitondra ny Repoblika voalohany ho namono ny filoha Ratsimandrava ary ireo nitondra faisana sy lasa sesitany tany ivelany noho ny krizy 1991 sy 2002. Manamafy anefa ry zareo fa mandala ny firaisankinam-pirenena ka tsy hisy mihitsy ny valifaty atao amin’ny mpiavy mila ravinahitra any Sofia araka ny feo misy manely amin’izao mba hanakorontanana sy hamoronana fampisaraham-bazana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.