Politique

Raharaha nosy Malagasy Fanamby goavana mety hamandrika indray ny filoha


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Niaraha-nahita sy nahatsapa ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina tao anatin’izay taona voalohany hifarana afaka tapa-bolana nisiany izay.

 

 

Tsy voavaha tao anatin’ny fotoana fohy, araka ny nampanantenaina, ny olana mahakasika ny Jiro sy rano vatsian’ny Jirama. Vao mainka aza niha nanahirana. Tsy mbola hita veroka ny mety ho fitombonan’ilay hoe vitaina ao anatin’ny 5 taona ny tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 58 taona. Nahita ny tsy fahita tao anatin’ny 58 taona tokoa isika saingy tranga mampikorosy fahana ny firenena ny ankamaroany raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolon’ny solika sy ny fiakaran’ny vidim-piainana natetitetika. Aiza ihany ny tetikasa Miami sy Parisy? Ny Tanamasoandro io iaraha-mahita fa mampijaly vahoaka madinika eny Ambohitrimanjaka io. Hita ho miady irery ankehitriny ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ary mampametra-panontaniana ihany hoe inona marina no tena antony hanafoanana ilay fety be eny Iavoloha? Misy ifandraisany amin’ny tsy fahatongavan’ireo famatsiam-bola tokony hanatontosana ireo tetikasa ve? Isan’ny arahan’ny ankamaroan’ireo herivelona politika maro amin’ity taona ity moa, raha ny fanadihadiana natao, ny mikasika ny mety ho fahatanterahana na tsia ny fanamby goavana napetraky ny filoha mikasika ireo nosy Malagasy izay nampanantenaina fa ho tafaverina mialohan’ny fetim-pirenena. Fanamby izay mety hamandrika ny filoha indray raha tsy itandremany.Tsiahivina fa nisy ny 18 novambra 2019 ny dinika nifanaovan’ny delegasionina Malagasy sy Frantsay teny Andafiavaratra momba ireo Nosy Malagasy na Iles Eparses, saingy tsy mbola nisy hevitra tapaka ary miandry ny fihaonana manaraka.Ny 29 mey 2019 no nanao fanambarana ofisialy tany Paris nanoloana ny filoha Fratsay ny filoha Rajoelina ny amin’ny hoe “ avereno manongtolo amin’i Madagasikara ireo nosy Malagasy..”..Namaly ny filoha Macron, valiteny diplaomatika ka hoy izy : “ hiaraka hiasa isika mba hahatongavana amina vahaolana ho amin’ny fampandrosoana iombonana ao amin’ny faritra ara-toekarena misy amin’izao fotoana…” Mety samy manana ny fomba fandraisana izany fehezantenin’ny filoha Frantsay izany fa dia ho hita eo ny ho tohiny.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT