Politique

Raharaha Nadine Ramaroson "Tsy ho moramora ny zavatra hoteneniko”


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Notanterahana tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana lehibe tetsy Antanimena tao amin'ny CC Esca Antanimena ny fahatsiarovana an'i Tompokovavy Nadine Ramaroson, ny sabotsy lasa teo.

 Mbola kotsan-dranomaso avokoa ny tarehin'ireo tonga nanatrika ity fanompoam-pivavahana ity. Hipoka ny efitrano malalaka tao amin'ny CC Esca tamin'io fotoana io. Mbola mafana ny fon'ny mpankafy sy ny namana ary ireo vahoaka nahatsapa ny asa sy finiavan'Itompokovavy. Tsy afaka tao am-pon'ny maro ireo zava-bitany. Hatramin'ny mpanakanto niara-niasa taminy aza, latsa-dranomaso teo am-pihirana ny hira anisan'ny nankafizin'i Tompokovavy manokana "hitsangana aho...". Toy izany koa ny reniny, izay tsy nahatana ny ranomasony nandritra ny fandraisam-pitenenana.

Fa henjana dia henjana ny nambaran'ny CST Alain Ramaroson tamin'izany satria nilaza ny hiteny izy raha dila ny fe-potoana nomeny ireo niandraikitra ny fanadihadiana mikasika iny loza an-dranomasina nitarika ny fahafatesan'ny minisitra Nadine Ramaroson sy ny mpiara-miasa taminy iny. "Tsy ho moramora ny zavatra hoteneniko amin'izay fotoana izay", hoy izy. Notsindriany ihany koa fa tsara ny fomba fiasan'ny praiminisitra ankehitriny nanoloana ilay voina an-dranomasina nitranga tany Antalaha farany teo, nisaorany azy manokana izany. Nampalahelo azy kosa anefa fa tsy mba nanao toy io ny fitondrana tamin'ny nanjo ny havany. "Tsy nahatsapa valim-pitia izahay, nefa anisan'ny nitolona nametraka io fitondrana io ny havanay", hoy izy nanamafy. Fanajana farany ity ataony ity raha ny filazany hatrany. Ho hita eo ny mety ho tohiny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT