Politique

Raharaha Nadine Ramaroson Natakalo toerana ny ampamoaka ?


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Niandry ihany ny mpanara-baovao ny alatsinainy sy omaly talata fa toa tsy nisy tampoka ilay hoe ampamoaka hampahafantarana nytenamarina tamin’ny naharendrika ilay sambo Black Shark tany Soanierana Ivongo ka nahafaty ny ministry ny mponina teo aloha Nadine Ramaroson.

 Asa koa na fifandrifian-javatra na ahoana fa ny alastinainy io ihany raha notendrena reo minisitra teny Iavoloha dia tafiditra tao anatin’izany Rtoa Vaomalala Olga mba hisahana ny ministeran’ny mponina, izy moa dia vadin’Atoa Alain Ramaroson izay efa diso fanatry ny maro loatra eo aminy sehatra politika sy ao anatin’ny fitantanana ny FAT.Rehefa natao ny fanadihadiana moa dia fantatra fa ny fiohan’ny tetezamita Andy Rajoelina mivantana mihitsy no nanendry ity minisitry ny mponina vaovao ity , ka teo no nahagagakely satria raha ilay nambara hatramin’izay dia hoe manana fahefana tokoa hanolotra sy hanendry minisitra mivantana ny filohan’ny tetezamita, saingy tsy ny ministera rehetra no voakasik’izany fa ireo antsoina hoe ministeran’ny fiandrianam-pirenena. dimy no isan’izy ireo dia : ny ministera’ny vola, ny raharaham-bahiny, ny angovo sy harena an-kibon’ny tany (ministera iray) , ny fiarovam-pirenena ary ny atitany ; toa tsy ao anatin’izany ny ministeran’ny mponina ; efa hatryny ela moa no nana hetaheta ny fianakaviana Ramaroson fa tokony olona avy amin’izy ireo ihanynohanohy ny asan-dratompokovavy , ka raha ny zava-misy dia tanteraka izany faniriana izany ankehitriny.Ny manitikitika ny maro fotsiny diany hoe karazana tsindry natao mba hahazoana io ministera i ove izany no nilazana teo aloha kely teo fa ambara ny marina rehetra manodidina ny faharendrehan’ilay sambo sy ny tena antony nahatonga izany ? Ay raha tsy izay no izy dia rahoviana ary no atao io ampamoaka io, satria raha ny nambaran’ny fianakaviana Ramaroson hatrami’izay dia ts mino loatraizy ireo hoe loza tsotra no nahafaty ny zanak’izy ireo, ary misy tranga maro mampiahiahy manodidina iny resaka iny.Dia ho hita eo ihany ny tena marina e !
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT