Raha nambara fa nanao kolikoly ny olona iray, dia tsy maintsy misy mpiara-miasa aminy tao. Hiitatra ny raharaha Mbola Rajaonah raha tena mandeha tokoa ny famotorana satria tsy misy olona iray hahavita afera samirery izany.
Mety mbola misy tompon’andraikitra any mipetraka tsara anaty rafi-panjakana. Anisan’ny hanenjehana azy fatratra ny filazana fa nanao hosoka tamin’ny ladoany izy. Hatao fanadihadiana ve izany ny Tale jeneralin’ny ladoany izay tokony hahalala ny afera rehetra mandeha eo anivon’ny fadin-tseranana ? Raha tsy voakitika ireo heverina ho mpiara-miombon’antoka, dia mazava ho azy fa antsojay politika no ao ambadiky ny fanenjehana sy ny fanagadrana. Raha ny vaovao navoakan’ny gazety iray mpanohana ny fitondrana moa, dia nalain’ny fanjakana ny fiara tsy laitram-bala iray fampiasan’ity mpandraharaha ity. Raha ny fanehoan-kevitra tany anaty tambajotran-tserasera nataona namana akaikin’ity mpandraharaha ity aza moa, dia dia hoe misy resaka tsy fanekena handoa volabe 10 miliara ka nadoboka eny Tsiafahy, saingy tsy hay izay fahamarinana na fahadisoan’izany. Raharaha anankiray hafa ihany koa ny nanenjehana sy nanagadrana an’i Eddy Maminirina, izay azo antoka tanteraka fa nanana ny namany sy mpaniraka azy tao anatin’ny raharaha fanondranana andramena. Efa noresahina teto, ohatra, ny fisiana mpitsara anankiray naman’i Eddy Maminirina ao anatin’ny fitondrana Rajoelina niara-nipetraka taminy fony izy tonga voalohany tany Toamasina ka nanaovana fety ny fahatongavany, rehefa nitsoaka tany andafy nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Olona mpitsara izay faratampony amin’ny lalàna ve dia tsy hahalala fa olona karohina noho ny aferana boaderozy io miaraka aminy io ? Mpiaro azy ve ilay mpitsara ? Raha ny mpiray afera aminy, ohatra, dia misy depiote iray teo aloha malaza fa nananan’i Eddy Maminirina vola 14 miliara. Efa nisafidy ny nanohana an-dRajoelina io depiote teo aloha io, ka hadihadiana hamantarana ny tena marina sa tsia ? Rehefa alefa ny fitsarana dia tokony hizaka ny saziny avokoa ireo mpiray afera sy mpamotsy vola rehetra, fa tsy kisaritsarina tany tan-dalàna no apetraka eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.