Tsy mbola mazava tsara hatramin’izao ny tena tian’ny DST hahatongavana amin’ny antsojay ataony amin’i Tojo Ravalomanana. Fitaovam-piadiana ve, sa mersenera, sa inona no karohina ao Manjakatompo ?
Raha resaka fitaovam-piadiana, tahaka ny basy sy ny karazany dia nahoana no tsy miandraikitra izany ny eo anivon’ny Emmo-Reg Vakinankaratra. Raha resaka zava-mahadomelina, moa va tsy efa misy ny sampandraharaha manokana miandraikitra ny fitsongoana dia sy fisamborana ary fanadihadiana ireo olona ahiana amin’izany. Resaka fanohintohinana ny filaminana anatiny ve sa fikasana hanakorontana sy hanongam-panjakana ? Tahaka izao ny hevitry ny raim-pianakaviana iray tafaresaka taminay momba ity raharaha ity : “Izaho dia tsy sosotra intsony fa tena lasa mihomehy indray manoloana ity fihetsika feno tsy fahamatorana ataon’ny DST ity. Efa mba nieritreritra ve izy ireo fa hanaratsy endrika ny an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany any Antsirabe io zavatra atao amin’i Tojo Ravalomanana io.
Tena maro an’isa ny olon-dRavalomanana ao Antsirabe ka tokony hitandrina amin’ny zavatra ataony ny FAT, ny Ben’ny tanàna Olga Ramalason aza tsy vitan’izy ireo ny nisambotra sy nanala azy tao. Sao dia adinon’ny FAT aza fa namelona an’Antsirabe sy ny manodidina anie izany Tiko izany e ! Izaho koa mino fa tsy olona adala i Tojo Ravalomanana ka anatin’ny vanimpotoana mamaivay tahaka izao no hanaotao foana. Efa fantany tsara ny fankahalan’ny FAT azy, ka azoko antoka fa efa nitandrina tsara amin’ny fihetsiny sy ny zavatra atony izy”. Ny renim-pianakaviana iray kosa dia nilaza fa : “matahotra mafy ny fianakaviana Ravalomanana i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, ka tena mitady ny fomba rehetra hamotehana azy ireo hatramin’ny farany. Efa nanenenan’ny FAT tongotra aman-tanana ny namelana an’i Tojo Ravalomanana nody teto Madagasikara, ka tanjon’izy ireo indray izao ny hahaleo monina azy eto, ka hiverenany any Afrika Atsimo”.
Misy koa ny olona mahita fa ny DST miaraka amin’ny FIS ihany sisa no mety manatanteraka an-jambany ny baikon’ny filohan’ny tetezamita sy ireo miara-miasa akaiky aminy, amin’ny fanaovana hazalambo ireo olona tsy mitovy hevitra aminy na eritreretiny fa manohintohina ny fahefany sy ny sezany, dia izao atao polisy politika izao. Mipetraka eto ny fanontaniana : sahy mandeha hatraiza ny DST, tarihan’ny kaomisera Nakany Charly amin’ity raharaha Tojo Ravalomanana ity ? Tena hamaky ady amin’ny vahoakan’Antsirabe ve ka hisambotra azy, sa hangina tsimoramora eo ihany tahaka ny tamin’ny raharaha Marais Masay!
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.