Politique

Raharaha Madagasikara Hentitra Atoa Kikwete, filohan’ny Troika


  • Alarobia 05 Septambra 2012

Nivory tany Dar es Salaam, renivohitr’i Tanzania, omaly ny Troika-SADC

 Ny filoha tanzaniana Jakaya Kikwete, indray mantsy izao, no mitarika ity vondrona mandinika manokana ny raharaha politika sy fiarovana ary ny fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona SADC, nandimby toerana ny filoha Afrika tatsimo, Jacob Zuma. Ifandimbiasan’ireo filoham-pirenena mivondrona ao anatin’ny SADC rahateo ny fitantanana azy io, ka anjaran’ny Tanzaniana izay izao, ary mpikambana miaraka aminy i Mozambika sy Namibia. Ity omaly ity no fihaonana voalohan’ny Troika-SADC tarihin’ny filoha Jakaya Kikwete. Niatrika izany ny filoha Afrikanina tatsimo, Jacob Zuma izay mpitarika teo aloha.

Tonga tany Dar es Salaam koa ny filoha mozambikanina sady filoha am-perinasan’ny Vondrona SADC, Armando Guebuza niaraka tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Oldemiro Baloi. Nandray anjara koa ny filoha Namibiana sady filoha lefitry ny Troïka, Hifikepunye Pohamba ary ny filohan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, Joseph Kabila. Lahadinika nandritra ity fivoriana omaly ity ny fametrahana fandriampahalemana any atsinanan’i Congo, ny lalàmpanorenana ho an’i Zimbaboe ary ny raharaha Madagasikara.

Nandritra izany no nanehoan’ny filoha Kikwete ny fahavononany hanamafy ny hamerenana ny fandriampahalemana amin’ireo tany mpikambana manana olana politika amin’izao fotoana, ka niderany ny ezaka vitan’ny ekipan’ny Troika, notarihin’ny filoha Jacob Zuma, nodimbiasiny toerana. Mikasika ny raharaha Madagasikara dia hentitra ny tenin’ny filoha tanzaniana Jakaya Kikwete fa tsy hihemotra ny Troika-SADC fa hanao izay hahitana vahaolana maharitra hivoahana amin’izao krizy izao, hisian’ny fitoniana sy fandriampahalemana ka hiverenan’i Madagasikara indray ao anatin’ny ara-dalàna. Manantena, araka izany, ny Malagasy fa mba hanafaingana ny fivoahana amin’ny krizy tokoa amin’izay izao fandraisan’ny Tanzaniana ny fitantanana ny Troika izao indray.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT