Nanafatrafatra mafy an'ny fitondram-panjakana ny solombavambahoaka MAPAR Rahasimanana Paulbert na Rossy ny tsy hikitikitihina ny Senatera Lylison raha
nampirevy ny mpiasan’ny minisiteran'ny serasera teny Fenoarivo izy, omaly hariva. Tsy hiditra resaka politika aho, hoy i Rossy fa « aza kitihina ny namanay ». Tsy tazana teo anoloan’ireo namany MAPAR, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ireo farany teny amin’ny foibeny Ambodivona omaly ny solombavambahoaka Rossy voafidy tao amin’ny Boriborintany fahefatra Antananarivo Renivohitra, fa nandray ny andraikiny manokana ho fanohanany ny parlemantera iray fianakaviana politika aminy ao amin’ny MAPAR, izay manameloka ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny famoahana didy fampisamborana ny Loholona Lylison René de Rolland ary nilaza ampahibemaso omaly fa « tsy hanaiky izany fisamborana izany ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.