Politique

Raharaha «Leader Fanilo» Aoka izay ny disadisa, hoy i Reboza Cyrille


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Nanamafy ny maha ara-dalŕna ny birao nasionaly mpandrindra tarihan’ny filohany Rakotomamonjy Jean Max ny didim-pitsarana ady maika, hoy ny filohan’ny kaomisionina politika eo anivon’ny antoko Leader Fanilo Reboza Cyrille.

Mihatra avy hatrany io «ordonnance de référé» io ka tsy mananjo hampiasa ny sary famantaran’ny antoko sy hampiantso ny filankevitra nasionaly tokony hotontosaina ny 22 sy 23 jolay 2016 izao intsony ireo mpikambana nania. Efa nahazo ny taratasim-panjakana fanamarinana ny fijoroan’ny antoko Leader Fanilo avy amin’ny minisiteran’ny Atitany rahateo ny birao nasionaly mpandrindra ny volana martsa 2016. Nobeazina sy nampianarina ho demokraty, mankato ny sata sy ny fitsipi-pifehezana mifehy ary mpanaja lalàna miaraka amin’ny fomba fisainana sy fanao ireo mpikambana ka tokony hifarana amin’izay ny disadisa anatin’ny antoko, hoy ny lehiben’ny vaomiera politika. Nametraka modely tsara alain-tahaka amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny antoko Tiako I Madagasikara izay efa niravona tanteraka ankehitriny, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT