Politique

Raharaha kolikoly ao Afrika Atsimo Nanameloka filoha Zuma koa ny tafika


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Naneho hevitra momba ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Afrikanina tatsimo izay manameloka ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana nataon’ny filoha Jacob Zuma sy ny parlemantera

 

Afrikanina Tatsimo sasany tamin’ny raharaha Nkandla ny SANDU na ny fikambanan’ny fiarovana nasionaly Afrikanina Tatsimo. Araka ny SANDU dia mahamenatra raha ny filoha faratampon’ny foloalindahy indray no manitsakitsaka ny lalàna  izay tena arovan’ny foloalindahy izay tarihiny. Lavina ihany koa raha toa ka ny parlemanta izay natao hanara-maso indray no manampy amin’ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana. Noho izany, araka ny didy nivoaka, ny filoha dia tsy mendrika ny hijanona ho filoha faratampon’ny foloalindahy intsony, ary tsy mendrika ny hanohy ny asany intsony ireo parlemantera izay nanao mafy loha nanohana ny filoha. Atao ahoana toa moa no mbola hitondran’ny olona efa voarohirohy amina raharaha maloto ? Manoloana izany, ny SANDU dia mangataka ny fanalana ny filohan’ny foloalindahy sy ny fametraham-pialan’ireo mpikambana ao amin’ny parlemanta. Manohana ny hetsika ara-dalàna rehetra hanesorana ny filoha Zuma eo amin’ny toerany ny SANDU. Mampirisika ny vondrona rehetra sy ny tafika ity farany hanambatra hery hanalana ny filoha Zuma. Miha marefo, araka izany, ny fahefan’ny filoha Zuma ary tena mihozongozona tanteraka ny sezany satria efa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny foloalindahy mihitsy no resy lahatra fa nanao kolikoly izy ary tsy mendrika hitana andraikitra ambony any Afrika atsimo intsony


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT