Politique

Raharaha Kaominin´i Toamasina I Hodinihina mandritra ny filankevitry ny governemanta anio


  • Talata 03 Janoary 2012

Tsy niandry ela fa hanomboka anio talata 03 janoary 2012, dia efa hisy ny filankevitry ny governemanta tarihan´ny praminisitra Jean Omer Beriziky.

 Raha ny fanazavana nomen´ity farany nandritra ny fihaonany tamin´ireo mpiasan´ny Kaominina tao amin´ny efitrano malalaky ny Faritra Atsinanana, dia “hodinihana sy handraisana fepetra eo anivon´ny filankevitry ny governemanta anio talata 03 janoary 2012 ity raharaha kaominin´i Toamasina ity. Tsy azo tarazohana ela intsony fa tena potika ny tanàna, tsy voakarakara intsony ny maha kapitaly ekonomika an´i Toamasina”. Nomarihan’ny praiminisitra anefa fa “tsy hoe niniana tsy nojerena ny raharaha Kaominin´i Toamasina izay feno telo volana amin’ity talata 03 janoary ity ny nisian´ny fitokonana, fa noho ny zava-nisy teto amin´ny firenena. Mba hiantohana ny fampandehanan-draharaha aloha izany, dia Atoa Belahy Henri Paul lefitra voalohan’ny delegasiona manokana no mitantana vonjimaika ny Kaominin´i Toamasina”, hoy hatrany ny praminisitra Jean Omer Beriziky. Nisy nandritra ny fihaonana teo amin´ny mpiasan´ny Kaominina sy ny praminisitra, ny fanolorana ny hetahetan´ny mpiasa izay hita fa nizara ho roa, dia ny avy amin´ny mpiasa nitokona sy ny mpiasa niasa.

Ankilan´izay rehetra izay, fantatra ihany koa fa, anisan’ny anton´ity filankevitry ny governemanta anio ity ny handraisana fanapahana fiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan´ny CT sy ny CST amin’ity volana janoary 2012 ity sy ny fandinihana ny lalàna hametrahana ny CENI sy ny CNR ary ny mikasika ny famontsoran-keloka. Fa hita ho tsy nahafaly ny praminisitra Jean Omer Beriziky ihany, na tsy nataony nivantana aza, ny fisian´ilay fepetra noraisina mikasika ny haino aman-jery sy gazety maro tato ho ato izay.

Marina fa minisitra no namoaka ny fanambarana, saingy tsy avy amin´ny primatiora na filankevitry ny governemanta ny baiko fa avy eny amin´ny fiadidian´ny prezidansa, raha ny fanamarihana azo. Niezaka nampitony ny mpanao gazety ny Praiminisitra raha nilaza fa “tsy hisy sivana hiverina izany eto Madagasikara, fepetra fanarahan-dalàna fotsiny no noraisin´ny minisitry serasera ireny, ary mba hananana mpanao gazety tena matihanina”

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT