Politique

Raharaha Houcine Arfa Mikorapaka ny fanjakana, tsy taitra ny Frantsay


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Afa-baraka tanteraka ny fanjakana Malagasy, tarihin-dRajaonarimampianiana tamin’ilay ampamoaka goavana nataon’i Houcine Arfa, nilazany fa nanome 70 000 euros ho an’ny minisitry ny fitsarana izy ary 30 000 euros hafa ho an’ny “procureur” ho saran’ny fanafahana azy.

 

Tsy misy porofo na kely aza, ary tsy misy lanjany eo anatrehan’ny fanjakana sy ny mpitondra izany, hoy ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana sady mpitondra tenin’ny Governemanta Harry Laurent Rahajason (Rolly Mercia), tao amina onjam-peo iray omaly, hita hoe hendratrendratra be ihany no sady nikorapaka ihany ingahy minisitra naneho hevitra. Olona kely iray mizaka ny zom-pirenena Frantsay ary sokajiana ho olona tsy misy dikany iny, na “un petit minable” no nanasokajian’i Rolly Mercia azy, ka olona toy izany iny ve dia andeha hatahoran’iza ? hoy izy. Any ivelany izy dia mitety haino aman-jery dia milaza zavatra be dia be. Mihevitra sy manantena izy fa tsy ho voakitikitika intsony satria any Frantsa dia resahina izay tiany resahiny rehetra, hoy hatrany ity minisitra ity. Nohamaivaniny tanteraka ny zava-misy kanefa efa maloto endrika tanteraka aloha ny minisitry ny fitsarana Malagasy ny fitondrana misy eto eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria manao kolikoly. Goavana ny ampamoaka andiany voalohany nataon’i Houcine Arfa, ary misy antony lehibe ao matoa tsy voasambotra any Frantsa izy, na dia efa fantatry ny manampahhefana any an-toerana tsara aza ny toerana misy azy .


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT