Lasa lavitra ilay raharaha mampifanolana ny ministeran’ny serasera sy ny Free FM.
Amin’ity onjam-peo ity sy ireo radio tsy miankina vitsivitsy any amin’ny Faritra mampita ny fandaharany hatreto no mitatao ny fanakatonana, fa mety ho lasibatr’izany koa ny hafa rahampitso sy rahafak’ampitso. Tsy mahagaga raha miakatra ny maripana. Milaza ny tsy hanaiky lembenana ireo mpanao gazety ao amin’ity onjampeo ity fa dia hidina an-dalambe raha tonga amin’ny fanakatonana an’io onjampeo Free FM io tokoa ny fitondrana tetezamita amin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera. Ny Kianjan’Ambohijatovo no takian’izy ireo hosokafana hanehoan-kevitra. Zavatra efa nitranga tamin’ny 2009 izany, hoy ireto mpanao gazety ao ireo, ary azo averina tsara mihitsy amin’izao 2012 izao rehefa tena voatohintohina ny fahalalahana haneho hevitra sy rehefa hita fa mirona any amin’ny jadona ny fanjakana.
Ankoatr’izay dia tsy mitsahatra ny ampamoaka ataon’izy mianadahy mpanentana ny fandaharana “Anao ny fitenenena” ao amin’ity onjampeo ity, ka omaly izao, dia lasibatra ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent, izay nambaran’izy ireo fa efa namoaka vava be tany Dubai hoe : «ratsy noho i Marc Ravalomanana, i Andry Rajoelina», ary toa hoe manana dosie marobe momba an’i Andry Rajoelina ihany koa ity minisitry ny serasera am-perinasa amin’izao fotoana ity, ka afaka mamoaka izany tsara raha toa ka misy ny mahasosotra na mahatezitra azy. Tena miha sarotra ity raharaha ity, ary azo antoka fa ho henjana ny mety ho tohiny satria tena namoha sy nampiseho zavatra maro be ilay izy. Mivoaka tsikelikely ny tsiambaratelo amin’ny fomba nahazoan’i Andry Rajoelina sy ny fitondrana sy ny fomba fiasa teo anivon’ny FAT. Raha tsy mitandrina amin’izay fanapahan-kevitra horaisiny ny minisitry ny serasera dia mety ho sahirana ihany atsy ho atsy, satria mazava be ny resaka eto fa tsy hanaiky lembenana fa hiady hatramin’ny farany ny Free FM, ary matoa izy ireo sahy dia efa matevina ny fiarovan-tenany ary mahafantatra zavatra maro. Mamparefo hatrany ny fitondran’i Andry Rajoelina ihany koa ity raharaha ity, ary tena fitsapana ho azy hoe : hatraiza marina no zakany amin’ny fanehoan-kevitra sa kabary ambony vavahady fotsiny ireny natao telo taona lasa ireny, fa rehefa eo am-pelatanana ilay fahefana dia ampiasaina, hanapenam-bava ny hafa !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.