Politique

Raharaha fikasana hanafika ny Lapan’i Mahazoarivo Mitohy anio ny fitsarana ireo miaramila sy sivily


  • Zoma 23 Septambra 2011

Niakatra tao amin’ny fitsarana ady heloka bevava omaly ireo miaramila sy sivily miisa 19 izay nampangaina ho nikasa hanongam-panjakana avy amin’ny fangalana ny lapan’i Mahazoarivo ny 18 aprily lasa teo.

 Tsy vita omaly ny fihainoana tsirairay ireo olona marobe, hany ka voatery hotohizana anio. Heverina fa amin’ny herinandro ho avy no hivoaka ny didy momba ity raharaha ity. Raha tsiahivina fohy dia nosamborina teny Ambohijanaka ireo olona ireo rehefa nolazaina fa mpanongam-panjakana. Nisy ny miaramila izay ofisie, nisy ihany koa ireo izay ny manamboninahitra lefitra ary maromaro ny sivily. Manana fanantenana betsaka ny havan’ireto olona 19 ireto raha nojerena amin’ny firesak’izy ireo. Izany dia mifanandrify indrindra amin’ny vanim-potoana politika izay toa mizotra ho any amin’ny famoahana ny gadra politika, raha araka ny fanazavan’izy ireo. Na izany aza anefa dia toa kivy ihany koa izy ireo manoloana ny fisamborana ny filoha teo aloha satria toa tsy mifanandrify amin’izay voasonia ny fandehan-javatra. Asa anefa aloha izay mety ho vokatr’ity fitsarana ity. Efa 18 volana izay no nitazonana ireo olona ireo ary andrandrain’ny manodidina azy ny hamoahana azy ireo amin’izay.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT