Politique

Raharaha FIGN Nitombo iray ny sivily maty


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-29 taonany i Andrianjarivo Sitraka. Ny talata 03 janoary 2012 no nahafaty azy teny amin’ny hopitaly miaramila na HOMI Soavinandriana, toerana nitsaboana azy farany.

 Anisan’ireo sivily nosamborin’ny herimpamoretan’ny FAT teny amin’ny Mausolée ny alakamisy 20 mey 2010, tao anatin’ny raharaha FIGN, i Sitraka. Naka sary ny zava-nitranga teny izy no nosamborina tamin-kery. Niharan’ny daroka tsy nananana antra sy fampijaliana samihafa izy tamin’ny fisamborana sy nandritra ny nitaterana azy sy ireo hafa niara-voasambotra taminy ny 20 mey 2010. Nampangaina ho mpitsikilo i Sitraka rehefa natolotra ny fitsarana. Nidoboka am-ponja ary nanefa enim-bolana tao Antanimora izy. Tava mangana sy tongotra mikotringa noho ny toto vodibasy nahazo azy no nidirany ny fonja tamin’izay, ka namantanany tao amin’ny B2 efitra nanefany ny saziny. Nitondra “béquilles” mihitsy i Sitraka vokatr’io fahavoazana tamin’ny tongony io. Nihombo ny aretina na efa nivoaka ny fonja aza. Tokony ho notapahana mihitsy aza ny tongony saingy hafa ny fandaharana ka dia izao fahafatesana izao no nitranga. Mbola mpitovo i Andrianjarivo Sitraka izao nodimandry izao. Lahimatoa amin’ireo telolahy zanaky ny ray aman-dreniny izy. Ho fanomezam-boninahitra farany ny nofo mangatsiakany dia hoentina ao amin’ny FJKM Faravohitra ny razana anio mitataovovonana, mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambatobe.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT