Politique

Raharaha FIGN Niakatra fitsarana ry Kly Raymond


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Niakatra fitsarana ady heloka bevava tsotra omaly ny raharaha FIGN.

 Nanomboka tamin’io ny fihainoana azy 36 voampanga ao anatin’ity raharaha nisiana fifamonoana teny Fort Duchesne ny 20 mey 2010 ity, rehefa naneho ny tsy fahafaliana tamin’ny nanodinkodinan’ny zandary sasany ny vola 500 tapitrisa Ariary tokony ho an’ireo zandary tao amin’ny hery vonjitaitra na FIGN ny tariky ny lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond. 26 amin’ny 36 voampanga no tonga teo anoloan’ny fitsarana omaly, ka zandary ny 21, sivily ny 4 ary mpikambana eo anivon’ny CST ny 1. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Jeneraly Richard Ravalomanana noho izy vavolombelon’ny zava-nitranga tamin’io 20 mey 2010 io. Nangataka hanemorana ny raharaham-pitsarana ny mpiaro azy ireto fa nolavin’ny mpitsara izany ka dia niroso ny fihainoana sy ny fiarovantenan’izy ireo mikasika ny fiampangana dia fampirisihana ady an-trano, fiantsoana olona amin’ny haino aman-jery ary koa faniratsirana mpitandro ny filaminana. Niato tamin’ny 5 ora hariva ny fihainoana azy ireo omaly noho ny hamaizinan’ny andro ary dia hitohy amin’ity anio ity.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT