Politique

Raharaha Fanalamanga “Tsy mahagaga ny fahabangam-bola ao”, hoy Randriamahefa Charles


  • Sabotsy 03 Martsa 2012

Nanao fanambarana ireo CT sasany avy any Moramanga fa hoe ratsy tantana ny orinasa Fanalamanga amin’izao fitantanan’ny ADG François azy izao.

 Tsy mitombina izany, hoy ny CT Randriamahefa Henri Charles, satria raha nilaza izy ireo fa nisy 21 tapitrisa sy 157 tapitrisa ny fantiantoka, ny zavatra hadinon-dry zareo dia io CT anankiray miaraka amin’ny Escopol io dia ananan’ny orinasa Fanalamanga trosa 70 tapitrisa ariary satria mpandraharaha ao izy. Ny antony hanalana ny ADG François ao dia ny tsy mba handoavany io vola io, hoy Randriamahefa Henri Charles. Ny filazana hoe misy ny fahabangam-bola indray dia marina, hoy ity farany, fa misy vola tsy ampy ao satria ireo tale tao dia nangataka fiarakodia ka nividy fiara 4x4 vaovao 4 nitentina 400 tapitrisa ny orinasa. Ka rehefa manao fampiasam-bola tahaka izany ianao misy fahabangana ao anatin’ny kaonty. Ny mpitambola tao koa nanodinkodina hatramin’ny 100 tapitrisa ariary. Fantatr’ireo olona ireo izany fa izy io dia tsy nipoitra hatramin’izay.

Ny zavatra adinon-dry zareo koa dia ny asa sosialy, nanampiana ny CEG, nataon’ny Fanalamanga tany Mandialaza, nisy koa ny fanamboarana barazy sy fanamboaran-dalana. Avy eo koa ny Fanalamanga tamin’ny nisian’ny fahamaizana tany Foulpointe ireny dia nisy hazo folo kaontenera nalefa tany nanampiana ireo traboina hanaovany trano vaovao. Ny tsy azo adinoina koa farany, dia taloha dia eo amin’ny 100 teo ho eo ny mpandraharaha tany anefa ankehitriny dia mahatratra 500 nefa ny hazo kapaina mihavitsy.

Fa ny tena ketrika mahatonga ny rehetra hiditra amin’ity resaka ity dia ny fisian’ny fifanarahana tamin’ny orinasa frantsay SMCTR nividianana ny hazo mora dia mora hakana ditin-kazo. Ka ry zareo CT sy SMCTR ireo no manosika ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala hanala ny ADG hahazoan-dry zareo migalabona amin’ny zavatra mora mba hahazoana tombony mihoa-pampana satria ny Fanalamanga dia mivarotra ditin-kazo 3000 ariary ny kilao. Ka ilay fanapahan-kevitry ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala amin’ny fanalana ny ADG iny izany, hoy ihany Randriamahefa Charles, dia tsy manan-kery raha tsy ankatoavin’ireo mpiara-miombon’antoka roa dia ny ministeran’ny vola sy tetibolam-panjakana amin’ny alalan’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Sonapar.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT