Politique

Raharaha Befotaka «Efa nitondra tafika tany aho raha filoha», hoy i Saraha Georget


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Nitohy tany Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra, ny sabotsy 18 jona teo ny hetsika didifoitra faobe notontosain’ny antoko Maitso tao amin’ny kianja Andranonahoatra izay fananan’ny antoko. Volan’ny ankizy sady fanamarihana ny faha-3 taona nitsanganan’ny antoko rahateo ny jona.

 Zazalahy 500 no vita hasoavana nandritra ny tontolo andro izay niarahan’ireo dokotera mpikambana ao amin’ny Hasin’i Madagasikara nisahalahy avy aty an-drenivohitra, Itasy, Atsinanana ary ny tao an-toerana. Samy nahazo kilalao avy ry zalahy rehefa tafita soa aman-tsara. Nisy koa ny fiaraha-misakafo “vilany be maitso” niarahana tamin’ny vahoaka marobe tonga tao an-toerana. Nisy koa ny fifaninanana vakodrazana sy ady baolina kitra ary tsipy kanetibe. Eo amin’ny lafiny politika dia nampahafantarina tamin’ny sabotsy koa ny fitsanganan’ny rafitra isaky ny Distrika ao Vakinankaratra ary nambaran’ny filoha Saraha Georget aza fa efa mielipatrana manerana ny Nosy ny Hasin’i Madagasikara izay mametraka ny Malagasy ho ivon’ny fampandrosoana ka sady tomponandraikitra izy no mpahazo tombontsoa amin’izany fampandrosoana izany. Naneho ny heviny manoloana ny raharaha mafana amin’izao koa ny tenany.

Momba an’i Befotaka izay namonoan’ny malaso mpitandro ny filaminana dia nambarany fa efa nitondra tafika nankany an-toerana izy raha izy no filoham-pirenena na lehiben’ny tafika. Tokony ho nisy koa ny fanaovana fisaonana nasionaly ho fanomezam-boninahitra ireo mpitandro ny filaminana maty amperin’asa ireo tahaka izay nataon’ny fanjakana Frantsay rehefa nisy lavo an’ady ny miaramilany tany Afghanistan. Mbola nanteriny koa fa tsy mety ny fanondranana omby tanterahana amin’izao fotoana satria efa mihavitsy ny ombintsika kanefa mbola avoaka indray. Momba ny resaka filatsahan-kofidiana na tsia an’ny filoha Ravalomanana sy filoha Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka eo dia mihevitra ny filohan’ny Maitso fa ireo kandida manam-pikasana handray anjara amin’izany no tompon’ny fanapahana. “Aza hadinoina fa Ravalomanana anie ka voasazy amin’ny raharaha maro raha mpanongam-panjakana koa no andraisan’ny any ivelany an-dRajoelina. Mila fiaraha-midinika avokoa izany”, hoy izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT