Iniana afafy an-gazety sy etsy sy eroa mba hiteraka fifangaroan-kevitra sy fitohizan’ny fanalam-baraka ny mikasika ny didim-pitsarana momba ny «raharaha BANI» nivoaka ny 21 martsa 2012 teo, taorian’ny Fitsarana ady heloka bevava nanomboka ny 19 martsa 2012.
Anisan’ireo voarohirohy tamin’iny raharaha iny ny Pr Ranjeva Raymond sy ny zanany vavy, izay afaka madiodio tamin’ireo vesatra niampangana azy. Misy mantsy milaza fa «tsy afaka madiodio izany ny Pr Ranjeva Raymond tamin’iny raharaha nitsarana azy iny.
Nazava ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara tamin’ny anaran’ny vahoaka malagasy : Afaka madiodio tamin’ireo fiampangana azy ny Pr Raymond Ranjeva, ary atsahatra tsy misy hatak’andro ny fanenjehana ny zanany vavy, Riana Ranjeva Ratsisalovanina, ankoatr’ireo sazy mihatra hiasa an-terivozona sy tsy mahazo mandia faritany mandritra ny 5 taona sy 7 taona ho an’ireo manamboninahitra vitsivitsy, ary gadra mandra-pahafaty kosa ho an’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles. Ireo no didim-pitsarana nivoaka sy voarakitra ao amin’ny matoan-tsoratra notanan’ny mpiraki-draharaha, raha ny fanarahana izay notononin’ny mpitsara, filohan’ny fitsarana ady heloka bevava izay nitsara iny raharaha iny.
Tsy noraisin’ny Fitsarana ireo fiampangana nanosoram-potaka sy nanenjehana ny Pr Ranjeva Raymond mianaka tamin’ny famotorana sy fanadihadiana azy ireo mialoha, ka azo heverina ho heloka ny nanolorana azy teo anatrehan’ny fitsarana satria ara-drariny sy ara-dalàna ny fanehoan-kevitra hanavotam-pirenena nampisarangotina azy tamin’iny raharaha iny. Noho izany dia mampandainga ny Fitsarana tsotr’izao tamin’ny didy navoakany ny fanelezam-baovao mifanohitra amin’ny didim-pitsarana, ary azo henjehina araka ny lalàna.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.