Politique

Raharaha BANI Hanao ampamoaka ireo voarohirohy


  • Zoma 16 Martsa 2012

Raharaha iray anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny fitsarana ny raharaha BANI amin’ny alatsinainy 19 martsa ho avy io.

 Ny vaovao farany re izao dia ho avy eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ireo manamboninahitra, mpikambana tao amin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena, voarohirohy tamin’iny raharaha iny, ary hanao ampamoaka lehibe mikasika ny fanonganam-panjakana 2009 ireo niara-dia tamin’ny FAT tamin’izany. Raha ny loharanom-baovao dia hafa no izay efa nambaran’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ny desambra 2010 sy janoary 2011 no hambaran’izy ireo mandritra io fotoam-pitsarana io.
Fa etsy andanin’izany dia adihevitra be ny hoe f’angaha tsy efa foana araka ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra niarahan’ny mpanao politika Malagasy nosoniavina ny 17 septambra 2011 ary efa navadika ho lalàna 2011-014 izy io, ny raharaham-pitsarana mikasika ny raharaha BANI, FIGN no mbola fohazina hatrany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT