Mitady izay fomba rehetra tsy handehanan’ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha BANI eny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy intsony ny governemanta FAT, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fitsarana.
Araka ny loharanom-baovao dia misy indray izao ny baiko hanaovana ny fotoam-pitsarana ny raharaha BANI any amin’ny lapan’ny Fitsarana Fianarantsoa. Efa fantatra hatramin’ny daty satria ny 10 oktobra izao no kasaina hanaovana izany. Fantatra ihany koa anefa fa betsaka no olona hosarangotina amin’ity raharaha ity ary tsy maintsy hivoaka ny marina mandritra ny fotoam-pitsarana. Mba hialana amin’izay dia aleo atao lavitra ny renivohitra ny fitsarana. Fantatra ihany koa fa mbola noho izay antony izay dia tsy vitsy ireo mpitsara mandà ny handray ny antontan-taratasy mikasika ity raharaha ity. Misy mantsy ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao izay tsy maintsy voatonona ka izay no manahirana azy ireo.
Ny mahavarina amin’ity tranga ity voalohany indrindra dia ny hoe teto Antananarivo no nitranga ny raharaha BANI. Koa nahoana no afindra any Fianarantsoa fa tsy amin’izay toerana nisehoan’ilay heverina fa heloka ve no tokony hanatanterahana ny fitsarana ? Raha raisina indray ary fa tsy mety mitsara ny mpitsara eto an-drenivohitra. Nahoana raha ny mpitsara any Fianarantsoa milaza hitsara ity raharaha ity no hakarina aty an-drenivohitra fa tsy ireo manamboninahitra maro no alefa any. Hanahirana kokoa mantsy izany satria na ny fiarovana amin’ny fitondrana ireo manamboninahitra ireo eny an-dalana aza dia mampiahiahy sahady. Izany rehetra izany eo ihany fa ny zava-dehibe dia ny resak’ireo manamboninahitra ireo amin’ny fianakavian’izy ireo matetika.
Tsy vitsy amin’izy ireo mantsy no milaza fa tsy hiala ao Tsiafahy mihitsy raha tsy handeha hotsaraina eny Anosy na rehefa mivoaka dia mivantana any an-tokantranon’izy ireo tsirairay avy. Ho fantatra avy hatrany, araka izany, izay ho mety ho valin-tenin’izy ireo raha maheno ity vaovao ity fa tsy hiala ao am-ponja. Ankoatra izany rehetra izany dia mampametra-panontaniana ny amin’ny fampiharana ilay andininy faha-16 amin’ny tondrozotra voasonia teny Ivato. F’angaha moa tsy atsahatra daholo indray izay fanenjehana miendrika politika rehetra eny anivon’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao ? Sa ve izay ny fanatanterahana ny tondrozotra ? Mody tsaraina ny raharaha iray dia omena sazy mihantona. Filma efa mandeha foana. Hafanafana ity resaka ity raha izao no heverin’ny FAT hanatanterahana ilay tondrozotra. Mbola betsaka rahateo no tsy voalaza tamin’ity raharaha BANI ity.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.