Politique

Raharaha BANI 2010 Hanao anjolofo ny FAT


  • Talata 20 Martsa 2012

Raikitra ny fitsarana ny raharaha BANI 2010. Natomboka omaly alatsinainy 19 martsa etsy amin’ny fitsarana ambony Anosy izany.

 Midika io fa dia nahita mpitsara mahatoky nanankinana ity dosie ity ny fitsarana (FAT). Ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony moa no manendry azy, araka ny fombafomba ara-pitsarana, saingy na tiana na tsy tiana amin’ny raharaham-pitsarana goavana toy ity, noho ny maha olo-manan-daza ireo voampanga ao anatiny, dia tsy hilaozan’ny tandindon’ny fanjakana ihany. Razafindramaro Haja Jacqueline no nampiandraiketina ny dosie. Ny mpampanoa lalàna ankapobeny kosa dia ny tompon-toerana ihany no nisahana izany. Miisa 19 ny voampanga amin’ity raharaha ity, ka miaramila ny 17 ary sivily kosa ny 2 dia ny Pr Ranjeva Raymond sy ny zanany vavy. Ny 16 tamin’ireo no tonga niatrika ny fitsarana tamin’ny andro voalohany omaly. Anisan’ireo voampanga saingy tsy eto an-toerana noho ny antony ara-pahasalamana ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay mbola tsaboina atsy La Réunion hatramin’ny volana desambra 2011. Tsy nipoitra kosa ny kaomandà Roger Luc sy ny kolonely Randriamalala Hubert, na dia fantatra aza fa nisy iraka nampahafantatra azy ireo mikasika ity raharaha ity tamin’ny zoma 16 martsa tolakandro, tonga teny Ivato teny. Nihodinkodina teo amin’ny resaka paik’ady heloka, izay fombafomba ara-pitsarana, ny fotoana ny maraina. Tsy neken’ny voampanga ihany koa ny roa tamin’ireo “assesseur” efatra voalahatra.

Tsy niara-tonga rahateo koa ireo voampanga satria tsy nety nihazo avy hatrany ny lapan’ny Fitsarana ireo manamboninahitra miaramila folo lahy voatana tetsy Antanimora, raha efa navondrona mialoha tao Tsiafahy niaraka tamin-dry jeneraly Raoelina sy kolonely Coutiti kosa ireo notanana tany Antsirabe nahitana ny kolonely Raberanto, ary tonga maraina teny Anosy. Efa tamin’ny 11 ora tany vao tonga teny Anosy ry zareo Antanimora, ahitana an-dry jeneraly Rakotonandrasana Noel, kolonely isany Djadifara, Randriamihoatra. Ny tolakandro vao niditra tamin’ny votoatin’ady. Tamin’io ihany koa vao nampidirina ireo lehibena holafy miaramila vavolombelona amin’ity raharaha ity, saingy tsy izy rehetra koa no tonga. Novakiana taorian’izay ny taratasy mirakitra ny fiampangana azy ireo, izay manodidina ny fikomiana miharo fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena. Anio vao hiditra amin’ny tena fifandaharana saingy omaly ireo manamboninahitra voampanga dia efa nilaza mazava fa mandà ny hitsarana azy ireo ary mitaky ny hampiharana ny voalazan’ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna 2011-014 rahateo.

Tsy nanda ny hitsarana azy kosa ny kolonely Coutiti Ansolant sy ny Pr Ranjeva Raymond, ity farany izay hita ho milamin-tsaina tanteraka niatrika ity fotoana omaly ity, saingy nametraka fepetra mba ho ara-dalàna ny fomba hanatanterahana izany. Ampangaina ho mpibaiko ireto manamboninahitra nivondrona tao amin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena (CMSP) moa ny Pr Ranjeva Raymond.

Ho hitantsika eo rahampitso (anio), hoy ny Me Randranto André, mpisolovava azy. Baraingo, araka izany, ny mety hitranga amin’ity anio ity. Ho avy hiatrika ny fitsarana sa tsia ireto manamboninahitra ireto ? Nisintona matetika ny fitsarana omaly, ahatsapana fa sahiran-tsaina ihany ilay mpitsara, nampiandraiketina ity dosie ity, na eo aza ny resaka voizin’ny FAT fa ny gadra politika sy ny mpanohitra ihany no voakasik’iny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra iny. Manesika mafy ny FAT fa ny miaramila amin’ny maha miaramila azy dia tsy mpanao politika ary tsy miandany, ka tsy misitraka io andininy io, toy izany koa ny Pr Ranjeva Raymond. Hitohy anio ny fitsarana. Midika io fa dia hanao anjolofo ny FAT ary dia horaketin’ny tantara izay ho fanapahana havoakan’ny fitsarana eo ary ho lasa didy fakan-tahaka rahateo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT