Politique

Raharaha Anjozorobe Tena tany i Matthieu !


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Nanamafy ireo fianakavian’i Mandignisoa, ilay tovolahy 29 taona izay voalaza fa tsy hita maty na velona fa tena tany Ankaraoka mihitsy i Matthieu Rakotoarimanana, zanaky ny filoham-pirenena.

 

 Nangataka porofo ny amin’ny naha tany Ankaraoka, Ambatomanoina Anjozorobe an’i Matthieu Minotahiana Rakotoarimanana zanany, ny filoham-pirnena Rajaonarimampianina Hery mikasika ilay raharaha nilazana fa nitifirana mpitrandraka vatosoa. Namaly azy ny fianakavian’i Mandignisoa fa tena tany tokoa i Matthieu ary izy no nanome baiko nanapoahana basy.

Misy vavolombelona

Nambaran’ireo fianakavian’i Mandignisoa fa izany chef Ruffin izany no nitifitra ity mpangady vato ity. Niverina nihaona tamin’ny mpanao gazety indray omaly ny fianakaviana notarihin’i Tsimiondra Tomasy ary nanambara fa manana vavolombelona maro afaka manamarina fa tany Ankaraoka ity zanaky ny filoham-pirenena ity. Araka ny voalaza hatrany dia efa nohenoin’ny fitsarana tao Anjozorobe ireto fianakaviana ireto ka dia ho hita eo ny ho tohin’ny tantara. Nanambara izy ireo fa tsy hihemotra na eo aza ny mety ho karazana famendrofendroana samihafa noho ity raharaha ity mahakasika ny fianakavian’ny filoham-pirenena. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ihany koa no nahafantarana fa nitondra mpitandro ny filaminana avy tao amin’ny Emmo avy tao Ankadilalana niaraka tamin’ny vadintany nentiny i Matthieu ary mbola naka zandary tao Anjozorobe ihany koa araka ny fanazavan’Atoa Jean Ermond, vavolombelona nahita an’ity zanaky ny filoham-pirenena ity niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalan’ny fiadidian’ny Repobilika. Ho hita eo ny vokatry ny fanadihadiana nampanaovin’ny filoham-pirenena sy ny mety ho fihetsiky ny fitsarana amin’ity raharaha ity. Misy feon-dakolosy roa izany izao ka mipetraka ny fanontaniana  hoe iza amin’ireo no mandainga ?


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT