Politique

Raharaha Andramena Maro amin’ny mpanohana an-dRajoelina no voakasika


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Araka ny fanadihadiana natao sy ny vaovao samihafa hatramin’ny tetezamita dia maro amin’ireo mpanohana ny filoha Andry Rajoelina no voakasika amin’ny resaka raharaha andramena na boaderozy.

 

 

 

Raha tena hatao tokoa ny fanenjehana ary tsy misy atao tombo sy hala amin’izany fanenjehana ireo mpanao trafikan’andramena izany dia tokony tsy maintsy ho fantatra ny olona nahazo vola tamin’ny raharaha andramena tany Singapour ireny, avy amin’ny alalan’ny SAMIFIN na ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola, raha tena manao ny asany tokoa ny SAMIFIN ary tsy voatsindrin’ny mpitondra ambony. I Eddy Maminirina raha tsiahivina, dia nanohana azy tamin’ny fifidianana filoha. Nisy namany tao, ary solombavambahoaka teo aloha iray no voatonontonona. Tamin’ny fanjakana tetezamita ihany koa no tena nampirongatra ny trafika. Ny feo mandeha dia maro amin’ ireo olona akaiky ny filoha Andry Rajoelina amin’izao, sy ireo nanohana azy no voakasik’ity raharaha ity, ary fantatra fa volabe no nampiasaina tao. Nisy ny olona malaza ho mpanelanelana ary tranga mampiahiahy ny faharenesana fandrotsaham-bola mitentina 15 tapitrisa dolara Amerikanina avy tamin’ny banky iray avy any ivelany mety ho misy hidiran’ny raharaha andramena, raha ny loharanom-baovao iray. Aiza ho aiza ny SAMIFIN sa ho voabaiko koa ve? Mila avoaka ny marina fa tsy tokony hasiana kinamanamana raha tena atao marina ny ady amin’ ny famotsiam-bola sy ny kolikoly. Efa nambara teto fa ady amin’ny samy Mafia ity resaka andramena ity, ka miafara amin’ny fifamonoan’izy ireo izany matetika. Na mitombina na tsia ny dosie mikasika ny filoham-pirenena ankehitriny eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice) momba ny raharaha andramena sy fanangonan-karena tsy ara-dalàna, dia midika zavatra be. Betsaka ny pitsopitsony tsy maintsy harahina raha hametraka fitoriana ireo mpitondra ambony amin’ity rafi-pitsarana ity, toy ny tsy maintsy hananganana kaomisionina eny amin’ny antenimieram-pirenena. Rehefa mahazo fankatoavana any ny fitoriana vao alefa any amin’ny HCJ. Rehefa tsy mankasitraka izany ny depiote dia tsy lasa lavitra ny dosie satria voalamina amin’ny kolikoly, hany ka ireo heverina fa ho nanao ny tsy mety indray no mirehareha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT