Politique

Raharaha Ambohimahamasina Avotra ny praiminisitra


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Avotra tamin’ny ora farany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Solonandrasana Mahafaly, taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana ny alakamisy teo mikasika ilay raharaha tetikasa fanamboarana tranobe ao amin’ny kaominin’Ambohimahamasina.

 Nafahana vonjimaika ireo ben’ny tanàna roa voarohirohy ary dia hangingina elaela indray aloha izany ny mikasika iny raharaha iny. Raha sanatria nidoboka teo tokoa izy mirahalahy ireto dia tsy maintsy voasaringotra niaraka tamin’ireo olona akaiky ny filoham-pirenena roa hafa ity praiminisitra ity satria raha ny lojika dia ny tenany no manao sonia ny vola mivoaka ampiasaina amin’ny fanatontosana ny karazana fotodrafitrasa goavana toy itony. Nitohy lalina dia lalina ny fanadihadiana mikasika ny raharaha ary dia azo antoka fa ho lavalava ihany ny lisitra ary ho rakotra olona akaiky sy anatin’ny fitondrana. Betsaka ireo mpanara-baovao no niandry izany kanefa moa dia mbola hanjavozavo toy ny mahazatra indray izany ny mikasika izay tena atidoha mikasika ny fanjavozavoan’ity raharaha izay naha voatonontonona vola be mitentina hatrany amin’ny 390 tapitrisa ariary ity. Hita ho miramirana ery omaly ny praiminisitra solonandrasana Mahafaly teny Mahazoarivo raha nandray ny Miss Oliravina 2016 dia Ramatoakely Todivelo Rodriguez izay hisolotena an'i Madagasikara amin'ny fifaninanana Miss Oliravina manerantany atao any Washington Etazonia ny 18 desambra izao. Nirary soa sy fahombiazana ho azy ny praiminisitra sady nanolotra vatsin-dalana 5 tapitrisa ariary izay avy amin'ny filoham-pirenena.


Mirija

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT