Miseho sahady ny tsy firindran’ny asan’ny governemanta Olivier Mahafaly Solonandrasana.
Eo amin’ny resaka fisintahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny orinasa Air Madagascar, ohatra, dia mazava ny tenin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta omaly fa tsy homena ny tsy miankina izany ny fitantanana ity hany sisa orinasam-panjakana izay mitondra avo ny voninahi-pirenena ity na dia nezahina nopotehina aza. Ny drafi-panarenana izao no atrehana ka ilana ny fifanomezan-tanan’ny rehetra, hoy ny praiminisitra. Mandiso tanteraka ny resaka nataon’ny minisitry ny fizahantany Ratsiraka Iarovana Roland ny alarobia lasa teo io fanambarana io. Nambarany mantsy fa ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny Air Madagascar ihany no sisa antoka mety hanavotana azy. Tafarina sy mihodina tsara daholo ireo orinasam-panjakana nomena notantanan’ny tsy miankina, hoy ny minisitra Roland Ratsiraka. Tena mila famonjena ny Air Madagascar satria tsy ho tratrantsika mihitsy ilay tanjona hahatonga mpizahatany 1 tapitrisa hatramin’ny 2020 raha izao zava-misy izao no dinihana, hoy izy.
Tsy mahay mifandamina
Tsy nifampita ve ny resaka sa nisy tsy fifanarahana indray teo amin’ny fizarana ny tombontsoa no mifanebaka ampahibemaso toy izao ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fizahantany ? Fifanebahana izay azo sokajiana ho ady efa vaky ambatolampy mihitsy. Tranga tena mahagaga satria nisy filankevitry ny governemanta ny talata ary filankevitry ny minisitra ny alarobia, samy nanatrika io fivoriana io ny praiminisitra sy ny minisitry ny fizahantany. Dia tsy afaka niresaka sy nandamina ny zavatra horesahana amin’ny mpanao gazety mihitsy ve ? Ankoatra izay, manana minisitry ny fitaterana isika dia Atoa Ramanantsoa Ramarcel Benjamina izay miandraikitra mivantana ny Air Madagascar, koa nahoana no mitsako alohan’ny vazana Atoa Roland Ratsiraka fa tsy mba niandry akory izay mety ho fanehoan-kevitry ny minisitry ny fitaterana ? Fantatra tsara ny toe-pon’ny praiminisitra ankehitriny sy ny minisitry ny fizahantany, ka ahiana ho lasa lavitra ity fifandirana eo amin’izy mirahalahy ity. Tena mampatahotra ny hoavin’ny firenena raha tahaka izao ny fomba fiasan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Sa izay tokoa ilay hoe : governemanta miady e ?
Herivelo sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.